Inona tokoa moa no hilaina ny arsitektiora raha hanamboatra laminasa informatika iray?
Voalohany indrindra dia rehefa manao zavatra iray, dia tsara raha voalahatra sy voasokajy ireo zavatra hatao, mba ahafahanao rehefa any aoriana, mikaroka sy mandamina ireo zavatra vitanao.
Ny olana dia ireo olona vao manomboka manamboatra laminasa dia tsy manisy arsitektiora fa tonga dia tambabe ao anaty ao daholo ny IHM,fifandraisana amin’ny base de données, ary ireo lalàna isankarazany mifehy ilay laminasa. Hany ka rehefa hanao fanovana avy eo dia sahirana tokoa satria hovaina daholo ireo laminasa rehetra.
Koa mba hialana amin’izany dia aleo hasiana fandaminana sy fisokajiana ny laminasa izay hatao.
Ity ary misy torolalana voalohany, natomboka amin’ny tsotra indrindra mba ahafahan’ny be sy ny maro mampihatra izany amin’ny laminasa izay hatao.
Mba hanatsorana azy izay indrindra dia nofintinina anaty Projet anakiroa izany ilay arsitektiora, fa rehefa mandroso miandala eny isika dia haparitaka tsikelikely izany.
ny Projet voalohany dia misy ny Webservice ary ny projet faharoa dia misy ny DAL sy ny BLL.
ny DAL dia miandraikitra ny fifandraisana amin’ny base de données, ary ny BLL dia mikirakira ireo zavatra tianao hamboarina amin’ilay laminasa.
IFG.Framework01 moa izany no natao anaran’ilay Framework, satria mbola ho avy eo ny faharoa, fahatelo sy ny sisa.
Toy izao ny nitsinjarana ny sokajy anatin’izany, tsy fitsipika akory izy ity fa izay hampazava azy tsara no nanaovana azy.
Mety miteny ianao hoe, tena ohatra tsy mazava izy zany, marina ny eritreritrao satria mbola fanazavana ambangovangony ireo fa rehefa miditra lalina isika dia hazava aminao tsikelikely.
Koa andeha ary hidirantsika tsirairay avy ireo sokajy ireo.
Ny Business Objects moa izany ho ahitanao an’ireo kilasy izany lalaovina rehetra. Matetika izany dia ireo kilasy izay vita tamin’ny alalan’ny Diagramme de classes no hapetraka ao raha mampiasa UML ianao. Ny antsika moa eto mba ahamora ny ohatra dia kilasy iray fotsiny no namboarina (Customer).
Manaraka an’izany ny DAL dia miandraikitra amin’ny fifandraisana amin’ny loharana rehetra. Mba hanamorana ny fanovanovana ny loharano (SqlServer,Oracle,Mysql na Webservice), dia namorona Interface antsoina hoe ICustomer, ahafahanao manao arskitektiora mizaka tena (Loose Coupling), eo ohatra izao no azo hampiasaina an’ilay IoC (Inversion Of Control) amin’ny alalan’ny Spring.Net.
Isaky ny loharanao hampaisaina izany dia mamorona kilasy iray, SqlServerCustomer ohatra ho an’ny SqlServer, MysqlCustomer ohatra hoan’ny Mysql sns,sns, ary mandova ny ICustomer daholo izy ireo ahafahana misafidy izay hampiasaina kanefa tsy manova zavatra maro.
Toy izao ary ny ao anatin’ny ICustomer sy SqlServerCustomer
Ny BLL indray dia ahitana an’ireo service izay hampiasaina, ato matetika no hametrahana an’ireo fitsipika momba an’ilay laminasa. Ao ihany koa ho hametrahana ny safidin’ny loharana, misy property antsoina hoe ICustomer , koa arakarana ny safidy napetraka tany anatin’ny app.config no hamahanana azy. Raha ohatra ka Oracle ohatra ny tany anaty config dia OracleCustomer no hampiasaina. Izay hasehon’ny sary eto ambany.
Avy eo moa dia iny ICustomer iny no hampiasaina miantso ireo kirakira isan-karazany, toy izao:
Toy izao ny endrik’ilay Webservice, izay mampiasa an’ilay CustomerService
Rehefa vita io dia hampifandraisina amin’ilay DAL io webService io,dia manamboatra ny hatao hoe Proxy izy avy eo, izao no hantsoitsika hoe IFG.Framework01.API.
Ka toy izao ny fampiasana azy anatin’ny WebserviceCustomer
Hofeno miandalana eo ny fanazavana kanefa efa azonao hatao sahady ny maka ny code source an’ilay Framework IFG.Framework01 eto.