Alohan’ny hanohizana ny tafa dia tsara aseho eto aloha zany ilay niafaran’ity ohatra naorina tamin’ny fijery Objet ity. Toy izao zany ny fiovoaran’ilay classe noforonintsika noheverina hanaovana Adisanina ihany aloha
public class ZavatraAzoKajiana { private Object sanda; // toetran'ilay objet public ZavatraAzoKajiana(Object sandaHafa) { sanda = sandaHafa; } // famoronana objet iray, na constructeur no fiantso azy. public Object getSanda() { return sanda; } // toy izao ilay fijerena avy ivelany ny toetra anatin'ity objet ity (fa tsy tsara ny mamaky mivantana ny toetra "sanda"; ohatra eto) public void setSanda(Object sandaHafa) { sanda = sandaHafa; } // na fanovana avy ivelany ny sanda public Object kajyAdisanina(double sandaHafa) // fomba fanao raha reel no atao adisanina { Double d = (Double)getSanda(); return new Double(d.doubleValue()+sandaHafa) ; } public Object kajyAdisanina(String sandaHafa) // fomba fanao raha chaine no atao adisanina { String s = (String)getSanda(); return s.concat(sandaHafa); } static public void main(String arg[[]]) { /* Hanao adisanina karazan-zavatra roa isika eto : soratra fotsiny ny voalohany ary * * isa reel ny faharoa */ ZavatraAzoKajiana zavatra1 = new ZavatraAzoKajiana ("Infogasy "); ZavatraAzoKajiana zavatra2 = new ZavatraAzoKajiana (new Double(457.3)); System.out.println("Voalohany : " + zavatra1.kajyAdisanina("Nety")); System.out.println("Faharoa : " + zavatra2.kajyAdisanina(42.7)); } }
Oay, ary toa lasa be voakabolary nilatsadatsaka ho azy izy zany e !
Aleo tokoa aloha anaovana “prezantasio” ry zareo ireo, sao manahirana any aoriana kely any ary e:
Tsotsotra no anaovako ny vitsivitsy amin’izy reo:
private ZavatraAzoKajiana(Object sandaHafa) { sanda = sandaHafa; } // famoronana objet iray, na constructeur no fiantso azy.
ilay constructeur nofaritana teo amboalohany tao anaty classe ZavatraAzoKajiana ??.
Eto amin’ity ohatra ity aloha dia tsy hisy akony amin’ilay vokatra avoakan’ilay komandintsika io fanovana io, fa hanome vokatra marina ihany izy ! Saingy raha ohatra ianao mikasa ny hampiasa io classe io (te-hanao reutilisation zany) hanaovana adisanina any anaty classe hafa hoforoninao aoriana dia tsy hanaiky mihitsy ny JVM ny hanoratanao ny andalana soratra anaty praograma hoe :
ZavatraAzoKajiana zavatra = new ZavatraAzoKajiana ("Infogasy "); // ohatra eto
Ary na mbola eo amin’ny compilation aza dia efa misy laza diso hitranga.
Ny antony : satria mantsy efa voafaritra tsy misy mahazo mamorona Objet , raha tsy iray fonosana amin’ilay classe namaritana io constructeur private io. Fampiasa ihany anefa io constructeur private io saingy fampiharana voatokana toy ny famoronana Objet voafetra mafy ny isany sy ny fisiany (toy ny Serveur isan-karazany, ireo Objet tsy mahazo miforona ankoatra ny IRAY ihany : singleton no fiantso azy, sns.)
Ka izay zany no antony namaritana eto amin’ity ohatra ity hoe Object no karazana sanda omena ireo te-hatao Adisanina rehetra !!
private Object sanda; // toetran'ilay objet
Zany hoe tsy voafetra mihitsy zany ireo zavatra tiana hatao adisanina, no antony namaritana azy toa io.
Raha voamarikao tokotrany dia toa tonga dia mandeha hoa azy ilay hetsika mamoaka ny valin’ilay ohatra noraisintiska teo aloha io eny amin’ny ecran (sortie standard); tamin’ny alalan’ny soratra programa :
System.out.println(...);
static zany ilay attribut out ao anaty classe System ao amin’ny API-ny Sun.
Raha fintinina ny amin’ity fampidirana dia izao no azo atao fijery ankapobeny raha vao manorina classe-na Objet toa io ohatra io, ary mety ho maro izireo no miara-miasa ao anaty praogramanao:
Ny tsara anaovana andrana maro moa raha ny fandinihakao azy dia hoe: mitady fisokajiana ny tsara sy mahomby amin’ireo fiaraha-miasa ireo eo amin’ny karazana asa tiana hitadiavana vaha-olana informatika ifandrimbonan’ny Objet maro !!!!.
Ary farany amin’ity “prezantasio” tsotsotra ity dia tsara koa ny manamarika fa ny hetsika famoronana Objet moa rehefa miantso ireo Constructeur no atao hoe: Instanciation ary izay no mahatonga ny famaritana hoe ny Objet dia instance-na classe iray.
(Mbola hitohy)
Tambanivohitra.com