Ny voalohany :
Ny faharoa:
Adi-hevitra:
Raha ny vokatra dia hita fa toy ny tsy misy nahasamihafa azy ny vokatra omen?ilay fanorenana roa raha ny ety ivelany no mitazana ? saingy ny blem dia ho an?izay hampivoatra io fampiasana fototra io aty aoriana ?
Voamarika mantsy fa ilay voalohany dia tsy nanaraka tsara ny fitsipika napetraka, raha tiana ny hanao fijery miandalan-tohatra ilay fanorenana ataontsika (nisy fandinganana zana-tohatra tao ! )
Izao mantsy raha hazavaina tsotra ilay izy:
Ohatra ary hono ka tsy Serialisation sy Deserialisation mahazatra ao amin’ny API JSE no hampiasaintsika ao anaty kilasy TahirySoratraASCII.java (toa ilay ampiasaina eto), fa hampiasa ireo API ao amin’ny fitantanana tahiry maharitra Db4Objects isika (SGBDO izy io).
Dia misy zavatra azo tsoahina ary ve tamin’ireo ohatra fanorenana natrehintsika ireo, raha resaka fitsipika miandalan-tohatra no jerena ?
Raha za aloha dia izao no hitako azo atao lesona amin’izy io.
Misy zavatra roa lehibe no hita soritra
1. Ny fametrahana ny rafitra miandalan-tohatra amin’ireo kilasy rehetra ho ampiasaintsika amin’ilay fanorenana. Rafitra tsy dia miova firy izy io (vue statique), rehefa tafapetraka tsara ireo biriky fanorenana fototra rehetra ka nanaovana andrana tsitokatona ny fiasany (test unitaire). Novolavolaina tsitokantokana matetika, na madinidinika maro, izay vao ampidirina amin’ny andalan-tohatra misy azy avy izireo. Eto ny fiantrehana dia tokony hanana fijery ngeza ankapobe ihany eo amin’ilay asa fanorenana, nefa tsy maintsy koa mamantatra tsara ny filana sy ny vaha-olana, tanterahina sy entin?ireo biriky madinidinika maro ireo.
2. Ny fametrahana sy fandaminana ny fiaraha-miasan?ireo andalan-tohatra napetraka ireo. Io izany ilay implementation izay mety misy fomba maro no hanoratana azy na dia mitovy aza ny vokatra mety ho azo ety ivelany eo ampihodinan?ilay praograma. Io moa izany dia tsapa fa zavatra mety miovaova hatrany araka ny filana sy ny tetika enti-manorina amin’ilay fampiharana hatao, eo amin’ny isan?andalan-tohatra rehetra. Rehefa tena jerena akaiky io dia tsy inona fa ny fisian?ireo toetra na attribut sy hetsika na methode ahafahan?ireo andalan-tohatra tsirairay avy manatanteraka izay tokony hataony amin’ilay fiaraha-miasa napetraka tamin’ilay rafitra.
1. Fametrahana ny rafitra:
Andalan-tohatra FANEHOANA
Andalan-tohatra ASA FANAO
Andalan-tohatra TAHIRY MAHARITRA
2. Fanoratana ny fiaraha-miasa (implementation)
Rehefa aseho kosa ny fiaraha-miasa eo amin’ireo andalan-tohatra telo ireo dia azo atao sarisary toa izao:
Fanazavana:
Rehefa voatsangana tsitokatokana ireo andalan-tohatra telo sy vita andrana tsirairay izireo amin’ny asa tokony hiandraiketany avy, dia apetraka amin’izay ireo fomba hiarahan?ireo andalany ireo miasa ao anatin?ilay fanorenana.
Ka amin’io sary io dia mazava fa ny andalany misy ilay sokera kely miloko no hitoeran?ireo toetra sy hetsika voafaritra anatin’ny efajoro fotsy.
Ny zava-baovao eto aloha dia ireo hetsika roa antsoina hoe:
public void actionAlefaso()
sy
public void actionVakio()
Raha jerena ny ao anatin’ireo hetsika ireo dia tsy inona fa ireo instruction tanatin’ny case 1: sy case 3: tao amin’ilay source farany amin’ny SehoLahasoratra.java no nampidirina ao. Mazava ny amin’io izany !
Izay ary aloha izany ny azo lazaina tamin’ity fanorenana tsotra nataontsika voalohany ity, ka nentintsika nampiseho ny fampiharana ny fanorenana miandalan-tohatra. Tsy ho azo atao fandravonana ankapobe anefa ity natao ity, satria fantantsika fa maro dia maro ny safidy teknika, na fomba fiantrehana asa fanorenana amin’ny zavatra toa izao?
Resaka misokatra fotsiny izy io !
(Hitohy ...)