Koa maninona moa raha andao hanovana andrana tena izy amin’izay, sao lasa balahoasy eto fotsiny, sady amin’izay mba hijerena ny fihodinana ?
Koa dia niangavy ny ekipa Ambanivohitra.com ary izahay mba hanome sehatra kely ao amin-dry zareo hanandramana azy ity?
Mankasitraka !
Koa dia izao ary ny fandaminana :
Ny resaka natao hatreto moa dia nampisehoana ny fampiasana ny teknolojia Objet miaraka amin’ny fitaovana Java, raha hanao fanorenana informatika isika. Ny voaresaka teto moa dia ireo fotokevitra lehibe ifotoran’ny fanatonana miaraka @ ny Objet, ary narahintsika fampiasana ireny rehetra ireny mba ho mora azo ny tiana hampitaina @ n?ilay resaka.
Ny hasiana resaka @ ny manaraka dia ny hitsidika kely ny amin’ny fanorenana manodidina ny laminasa informatika anaty tranonkala (application web), raha mampiasa ny fitaovana Java isika.
Na izany aza dia tsara fantarina mialoha fa endrika iray koa hisehoan?ilay rafitra Mpamatsy-Mpanjifa ireo laminasa manodidina ny tranonkala.
Ary farany mikasika ireo vainga azo alaina ireo dia hoezahana ihany ny hampivoatra azireo miandalana, satria tsara marihina fa tena mbola ny rafitra taolana taingina fotsiny izireo, ka tsy maintsy arindra tsara miandalana mba ho mora velarina ny fiasany. Fa ny hevitry ny maro hono mahataka-davitra ka izay no anaparitahana azy eto.
De tsara ampahatsiahivina koa moa fa ny kozy Java rehetra naroso teto, dia fomba POJO (Plain Old Java Object) no nanoratana azy. Ny mpanoratra koa mpankafy be ny POJO rahateo. !
(Hitohy ...)