Ny applet dia laminasa kely anaty ny takelaka web. Rehefa atsoina io takelaka io dia mifindra ilay applet, avy any amin�ny lohamilina mankany amin�ilay niantso (Client). Aorinan�izany izy dia voafahana ary velona anatin�ny milina virtoaly Java, izay voafona anatin�ny Browser na AppletViewer .
Ny mahatsara azy io dia ahafana mameno ny banga misy eo amin�ny HTML, izany hoe ny fanaovana hetsika maro samihafa anatin�ny takelaka web iray.Raha amin�ny Poste local no tianao hanadramana azy dia refa manana Browser fotsiny ianao dia efa afaka mampiasa azy.
Ny indro kely amin�ny anefa dia izy ity tsy maintsy mifindra mihainga amin�ny lohamilina mankany amin�ny mpiantso, noho izay raha mavesabetsatra ny appletnao dia mety ho ela ela ihany vao hiseho izy. Ny olana manaraka koa dia ny fahafahan�ny olona maka ny zavatra vitanao izany hoe, atsakainy ny applet-nao Appletko.class dia hanaovan�ny olona reengineering, dia azony daholo ny code-nao. Izaho moa taloha ilay applet manetsika rano ireny no sitomiko dia voasako dia ampiasaiko amin�ny hilaivako azy.
Ity misy ohatra kely, raha te hanandrana hanamboatra applet ianao. Tsy mananosarotra ny fametrana applet anaty HTML, mampiasa balise applet fotsiny ianao toy izao :
<APPLET code="IlayApplet.class" width=400 height=300> </APPLET>
Raha ohatra moa ka mampiasa parametre ilay applet dia ampiana balise PARAM toy izao :
<PARAM name="loko" value="manga">
IlayApplet.class moa zany ilay programa applet java.
Ity ny codeny IlayApplet.java
import java.awt.*; import java.applet.*; public class IlayApplet extends Applet { public void init() { setLayout(new BorderLayout()); String loko=getParameter("loko"); if (loko.equals("manga")) {setBackground(Color.blue);} if (loko.equals("mena")) {setBackground(Color.red);} add( new Label("Appletko voalohany",Label.CENTER) ,BorderLayout.CENTER); } }