APT (Advanced Package Tool) dia fitantanana fonosana manana format deb. Ny distribution Debian no tena mampiasa io fonosana io. Manamora ny fametrahana sy fitantanana ny fonosana izy.
Amin’ny alalan’ny baiko apt-get no tena hikirakirana zay.
Alohan’ny hampiasana azy dia mila efa tafapetraka tsara daholo aloha ny configuration rehetra miaraka aminy. Ny toerana misy ny fichier de configuration ho an’ny APT dia /etc/apt, misy rakitra maromaro ao fa ny anisan’ny tena ilaina dia ny filazana ny toerana misy ny sompitra (Repository) tiana hampiasaina izay ao amin’ny /etc/apt/sources.list.
Ohatra :
- See sources.list(5) for more information deb http://http.us.debian.org/debian stable main contrib non-free deb http://non-us.debian.org/debian-non-US stable/non-US main contrib non-free deb http://security.debian.org stable/updates main contrib non-free
Misy karazana baiko maromaro azo ampiasaina arakaraky ny zavatra tiana atao : hitady, hametraka/hanala/hanavao, ..... Ireto ary misy ohatra vitsivitsy izay fampiasa matetika .
Hitady fonosana
$ apt-cache search fonosana
Hijery ny mikasika ny fonosana
$ apt-cache show fonosana
Hametraka fonosana
- apt-get install fonosana
Hanala fonosana
- apt-get remove fonosana
- apt-get --purge remove fonosana
Mamafa ny tahiry rehetra nosarihana
Hanavao ny lisitry ny tahiry
- apt-get update
Mila atao izy ity rehefa manova ao amin’ny /etc/apt/sources.list
Hanavao ny systeme iray manontolo
- apt-get dist-upgrade
Raha ohatra hoe malaina ny hanokatra baiko maro be dia misy ny antsoina hoe Synaptic izay tsy inona fa Frontend Graphique ho an’i apt mba hanamora ny fampiasana azy. Ny Frontend dia praograma aran-tsary izay mampiasa ny baiko apt ihany ao ambadika fa manakona izany ho an’ny mampiasa azy.
Ny APT-RPM kosa dia tsy inona fa APT ihany fa natao hikirakirana ireo format fonosana RPM. Ny fampiasa azy dia mitovy tsy misy valaka.