Mizara andininy roa ity lesona ity, ny voalohany dia ny fatsakana sy fametrahana ireo kirakira Java ary ilay fitaovana malaza filalaovana Java tsy iza izany fa Eclipse.
Ny faharoa ny laminasa kely Arahaba hamboarintsika amin’ny alalan’ny Eclipse.
Natao fanahiniana anaty Windows nanaovana ny ohatra mba ahafahan’ny daholo be manandrana izany.
1?/Loharano hatsakana sy fametrahana ireo fitaovana
2?/ Fanamboarana ilay laminasa Java Arahaba
Veloma ary ilay Eclipse anao, azonao hatao ny tonga dia manaraka ilay fanoroany amin’ny voalohany, dia tsy dia hilainao firy ny mamaky ny tohiny ity lesona ity.
Ny hanombohantsika azy ary dia mila manokatra Java Perspective isika,izay hitanao ery amin’ny tampon’ny Workbench (fitambaran’ny : Editors,Views,Perspectives), arahinao fotsiny ny sary etsy ambany dia hitanao ho azy no lalana arahina.
Rehefa izany, dia hanokatra Projet Java vaovao isika,ny fanaovana azy dia miditra ny menu File/New/Project... dia misy varavarakely misokatra eo dia fidio ny Java Project, ohatra ny amin’ity sary ity
Dia manontany anao ny anaran?ilay projet izy avy eo, dia mody hataovy hoe ManaoAhoana (tena hataovy mantsy e !) Dia tsindrio ny Bokotra Finish.
Manaraka indray, dia andeha hamorona Class Arahaba isika, ka midira indray amin’ny menu File/New/Class , dia misy varavarakely iray indray hoe manontany anao, dia ny Name hataovy hoe Arahaba, dia kikiso ilay safidy public static void main(string[[]] args), raha nanaraka tsara izay voalaza izay ianao dia tokony ahazo zavatra ohatraohatra zao :
Farany dia ny fanoratana Code Java kely sy ny Fandefasana azy.
Raha miditra anatin?ilay Arahaba.class ianao dia mahita hoe class Arahaba amin’ny code, dia mahita koa public static void.... , dia soraty ao anatiny ao ity code ity : System.out.println(”Arahaba e !”) ; Rehefa vita zay dia tsindro amin’izay le bokotra flesy maitso ery ambony ery, dia ohatra an?izao ny vokatra farany zany :
Izay ary aloha no azo hatolotra anareo anio fa dia amin’ny manaraka indray isika manao misimisy