Ny ASP.NET moa dia nisy fioavana goavana nihoatra tamin’ny ASP. Mampiasa ny teknolojia DotNet izy io, noho izany dia mandova ireo tombontsoa omen’ny .NET. Mampiasa ny Design Pattern MVC izy io, izany hoe mizara tsara ny Seho, Mpanjifa, Mpamatsy.
Noho izany dia azo zaraina tsara ny asa, ohatra hoe ny Seho omena ny olona mahay HTML, mpanjifa olona mahay C# na VB.NET, sns ary ny mpamatsy moa ireo olona mikirakira ny tahiry.
code-behind no anaran’ireo rakitra misy ny loharano C# na VB.NET.
Marihana fa mora hapetraka ny ASP.NET satria resaka Dika/Petaka fotsiny dia vita kabary.
Marihina fa raha efa nanao JSP ianao dia moramora kokoa ho anao ny mahazo ny ASP.NET. Hita fa misy hitovitovizany izy roa reo. Ary raha mbola tsy nanao JSP ianao dia hamporisihina hianatra izany ihany kosa, satria ny fianarana JSP sy Servlet no tena ahitanao ny atin’ny resaka tranonkala.