Ny feo dia zavatra ren’ny sofina noho ny fangovitan’ny rivotra izay samborin’ny ambongan-tsofina. Io fangovitana io dia vokatry ny fiparitahana onja avy amina loharanom-peo iray.
Ny onjam-peo, toy ny onja rehetra, dia afaka faritan’ny toetra vitsivitsy. Ny hafaingany moa miankina amin’ny tontolo ipariahany, 1235 km/ora eo anatin’ny rivotra)
Ny feo fandre matetika dia fifangaroana onja maro dia maro. Noho izany dia tsy asa moramora ny fikirakirana feo, izany no mahatonga ny fisian’ny atao hoe ijenieran’ny feo izay maty hanina manokana amin’izay.
Ny hatetik’ireo onja mamorona ny feo ren’ny sofin’olombelona dia 20 Hz ka hatramin’ny 20000 Hz eo ho eo. Ny sivana dia natao hamerana ny hamafin’ny onja arakaraka ny hatetiny ao anatin’ny fifangaroana onja maro.
Ny equalizer no fitaovana natao hanivanana feo. Boaty elektronika izy hatramin’izay, misy rindrankajy manao ny asany amin’izao fotoana izao. Ireo maty hanina moa samy manana ny safidiny. Ny equalizer dia misy bokotra maromaro toy ny bokotra “volume” izay mifandray amina hatetika iray avy.
Ho an’ny equalizer tsotra indrindra dia ahitana ny piste telo: feo ambany, feo afovoany, feo ambony. Ny equalizer sasany dia mety ahitana maromaro noho izay.
Ankoatra ny fanatsarana ny feo, ny equalizer koa indraindray ohatra dia afaka ampihenana ny kotaba (bruit) raha azoazo an-tsaina ny hatetika misy an’io kotaba io, na koa ampihenana ny feon’ny mpihira hahazoana feo hanaovana karaoke. Izay mahay azy mba atoroy
Rehefa mandray feo sy mandrindra (arrangement) dia fanao ny mampiasa canal maromaro. Sarahana canal araka izany ny karazam-peo: feo voalohany, feo faharoa, ..., orga, gitara, batery, sodina, ... sns. Izany dia mba ahafahana mikirakira an’ireo feo ireo tsirairay avy alohan’ny hanakambanana azy.
Ny fitaovana fanaovana izay dia ny table de mixage. Arakaraka an’ilay table no isan’ny canal azo ampiasaina. Ireo rindrankajy fikirakirana feo koa dia efa afaka anaovana an’izay.
Ireo canal be dia be amin’ny mixage ireo dia any amin’ny studio famokarana feo no misy azy. Fa ny feo fihaino dia hafa noho izay.
Ny baffle na speaker no fitaovana famoahana feo. Misy contrainte teknika amin’ny fanamboarana azy ireny anefa ny hahafahana mahazo baffle mahasarona ny hateti-peo fandre rehetra. Noho izany dia nampidirina ny “three way speaker“, izany hoe nozaraina telo ny lalan’ny feo: ny feo ambany (midoboka) mankany amin’ny woofer, ny feo antenantenany amin’ny medium ary ny feo kely (mitsitsika) mankany amin’ny tweeter.
Tahaka ny sary izay misy bitmap sy vectoriel koa ny feo, ahitana karazany roa: