Ny OS moa no mitantana ny rindrankajy sy ny Hardware rehetra. Noho izany dia misy ireo parametres configurations sy reglages samihafa ihodinany. Ao amin’ny Base de Registre (BDR) no misy azy ho an’i Windows.

Ny programa regedit na regedit32 no ahitana ireo zavatra anaty Base de registre ireo. Rehefa handefa azy dia:

  • Menu Demarrer > Executer, soratana hoe regedit na regedit32 ary atao OK

Marihina fa maro ny fomba hafa hanovana izay ao anaty base de registre ao, ohatra vitsivitsy: fampiasana fichier *.reg, script DOS na vbscript na javascript, karazana programa maro samihafa.

Firafitry ny Base de registre

Voalamina anatina cle na key ananki-dimy ny zavatra rehetra ao anaty registre (Ireo ilay ohatra ny hoe dossier ny endriny). Ny cle tsirairay avy dia afaka mitahiry cles hafa (sous-cles), hany ka misy fisandrahany ohatra ny dossiers ihany ny cles amin’ny base de registre. Ireto avy ireo cles fototra:

  • HKEY_CLASSES_ROOT (na HKCR): misy ny karazana fichiers, momba ny GUI, sns
  • HKEY_CURRENT_USER (na HKCU): momba ny mpampiasa tompon’ny session mandeha
  • HKEY_LOCAL_MACHINE (na HKLM): momba ny hardware sy rindrankajy
  • HKEY_USERS: momba ireo mpampiasa
  • HKEY_CURRENT_CONFIG: momba ny hardware mipetraka

Anatin’ireny cles ireny indray dia misy koa ny atao hoe valeur na value izay ahitana ny sandan’ireo karazana parametres. Mety handray karazany (types) telo ireo valeur ireo: Binaire, Chaine, DWORD.

Fanadiovana Base de registre

  • Fa maninona no diovina:

- Matetika rehefa mametraka rindrankajy dia manoratra any amin’ny BDR an’ireo parametres mampandeha an’iny rindrankajy iny. Rehefa manaisotra azy indray anefa tsy voatery afaka daholo ireo zavatra nosoratany tao ka manavesatra fotsiny;
- Misy ireo Virus na Spyware izay manoratra BDR. Ny famafana an’ireny dia misakana an’ireo ratsy ireo tsy hiasa.

  • Fanadiovana azy:

Azo atao ny mitady an’ireo cles sy valeurs tiana hofafana amin’ny regedit. Fa misy koa ireo rindrankajy izay natao hanadiovana azy. Ao ohatra ny RegCleaner na ny EasyCleaner :free: :win:.

Fikafika vitsivitsy ampiasana base de registre

 

basederegistre.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43