Momba ny boot-n’i Ubuntu, nandramana tamin’ny kinova 6.06 Dapper Drake. Rehefa avy mametraka azy dia tsara raha misy ovaina kely ireo services mandeha mba hanafainganana ny demarrage. Misy zavatra active manko kanefa tsy misy ilana azy akory ohatra raha hampiasaina ho an’ny solosaina tsotra desktop fotsiny ilay izy.
Ireto services ireto ohatra mety ho tsy ilaina:
1. Afaka jerena ao anatin’ny repertoire /etc/init.d ireo services mety halefany amin’ny boot
$ ls /etc/init.d
2. Mba hi-désactiver-na ny service tsy ilaina dia misy fomba roa:
a- ovaina fotsiny tsy ho executable ilay script ao amin’ny /etc/init.d
$ cd /etc/init.d
$ sudo chmod -x anarana_service
Raha te-ho activer-na indray moa dia :
$ sudo chmod +x anarana_service
b- mampiasa an’ilay programa update-rc.d
$ sudo update-rc.d -f anarana_service remove
Amin’izay tonga dia karakarainy ho an’ny runlevel rehetra
Raha te-hi personnaliser ny runlevel dia misy an’ireo repertoire /etc/rcX.d no mirakitra an’ireo services. Raha runlevel 2 ohatra dia ao amin’ny /etc/rc2.d. (raccourcis mankany amin’ireo script ao amin’ny /etc/init.d ihany no ao anatin’ireo rcX.d ireo). Ao amin’ny /etc/inittab no ahitana ny default runlevel. Ho an’ny Dapper izy dia 2