Bureautique

Ny Bureautique dia fampiasana ny informatika amin’ireo karazana asam-birao. Izany dia mahafehy ny fanamboarana, fandefasana / fandraisana, fitahirizana sy fikarohana tahirin-kevitra amin’ny endriny maro samihafa: lahatsoratra, takela-kajy, sary, rakitra isan-karazany.

Ny tena asa bureautique fanao dia ireto:

Rindrankajy fanaovana bureautique

- Microsoft Office : Fitambarana rindrankajy bureautique namboarin’ny orinasa Microsoft, io izao no be mpampiasa indrindra. Ireto no rindrankajy lehibe ao anatiny:

Excel, Word, PowerPoint, Outlook, Publisher, Access

[Bill Gates... My Outlook Excels me to my Power Point: Word!” – Windows Rap (Nerds) :-)

- StarOffice : Rindrankajy amboarin’ny orinasa Sun Microsystems. Rindrankajy tsara koa io, ankoatra ny MS Office. Tsy maimaimpoana ny StarOffice. Saingy ny fototry sources-ny dia navoakan’i Sun nomeny hanamboarana ny OpenOffice.org

- OpenOffice.org : Rindrankajy opensource natao hifaninana amin’i MS Office. Maimaimpoana izy noho izany. Ahitana ny Writer, Impress, Math, Draw, Calc, Base

- WordPerfect office: rindrankajy vokarin’ny orinasa Corel, izay ahitana fikirakirana lahatsoratra (WordPerfect), takela-kajy (Quattro-Pro), famelabelarana (Presentations), base de donnees (Paradox), sns ...

- 602 PC Suite http://www.software602.com/products/pcs/: lasa tsy maimaimpoana intsony.

- AbiWord http://www.abisource.com/ : maimaimpoana, fikirakirana lahatsoratra fotsiny

 

bureautique.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43