Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/a/ae271c6cf836881b72395a5f30be3cc5.xhtml failed

**26/08/2005 Mpanoratra : RTN** ===== Cache amin'ny .NET ===== ==== 1/ Fampidirana ==== Ny Cache dia fomba iray hitahirizana ny entana kirakiraina mba ahafahana milalao haingana ny vaovao. Izany hoe karazana dikan-javatra iray hapetraka akaiky kokoa ny mpanjifa. ==== 2/ Ny Cache ==== **a] ny zanatohatra misy cache** Maro ny zanatohatra azo hametrahana ny Cache, dia ny Data Access Layer, Business Layer ary ny UI . **Raw Data** no fiantsoana ny cache eo anivon'ny base de donnees: matoa napetraka anivon'ny base ny cache dia satria miovaova matetika. **Processed data** kosa izy raha amin'ny zanatohatra Business Layer: karazana vaovao tsy miova matetika fa toy ny MID ohatra no hapetraka ao anatiny. Ary ny farany dia ny mifandray amin'ny mpanjifa mivantana dia antsoina hoe **rendered data**, ary zavatra tsy dia mila fiovana haingana no hatao ao. Raha resaka page web isika zao asp.net ohatra dia ny cache page web dia tafiditra anisan'io cache io. **b] Toerany anaty milina** Misy fomba roa azo hametrahana ny cache, dia anaty memoire izany RAM hoy izy isika zay, na anaty kapilla henjana disque dur. Ny Cache hapetraka anaty RAM dia ireo vaovao hilaina ho kinga fihetsika ary kosa ny hapetraka anaty kapila henjana dia ireo vaovao mavesatra. Misy fomba roa ny fametrahana azy, na tonga dia vao manomboka ny laminasa anao dia efa hataonao anaty cache **//"pro-actif"//** na rehefa misy olona miantso vaovao iray vao atao anaty cache ilay entana izay antsoina hoe **//"reactif"//**. ==== 3/ Famintinana ==== Hita amin'izany azany fa ilaina tokoa ny cache raha te hanatsara ny laminasa anao ianao. amin'ny DotNet moa dia efa misy fikirakirana cache ao anaty Application Block. Tokony tsy ho hadino koa anefa ny fanovana endrika ireo entana atao anaty cache: //"serialisation"// hatao XML ohatra mba ahafahan'ireo laminasa mampiasa azy moramora kokoa ary mora tanterina, ary indrindra ny resaka fiarovana Izay indray no azo lazaina fa dia amin'ny manaraka indray. ---- [[Lahatsoratra DotNET]]

 

cacheaminny.net.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43