Inty ny mailaky ny mpiandraikitra INFOGASY any Madagasikara (mahefa.randimbisoa /at/ gmail [dot] com), raha hangataka hanao dika na hindrana ireo boky isan-karazany efa nalefa any ianao.
Vita izao ny vokatra CD-IFG voalohany, ny wiki no navadika takelaka statika maromaro.
Ny tanjona dia ny fametrahana ny sehatra IFG ao anaty CD mba hahafahana mijery ny lesona sy ny wiki tsy mila manana connexion Internet.
Azonao jerena ato ny dinika mikasika ny tetik’asa : Projet CD IFG
Ohatr’ohatra an’izao ilay tanjona nieritreretana azy:
Ny hampiasan’ny olona misimisy kokoa, sy tsaratsara kokoa ny informatika. (Ho an’ny informatisiana sy ny tsy informatisiana)
Izany hoe:
Ny olana dia: mbola vidiana lafo ny connexion internet any dago, tsy afaka ivalamparana.
Vahaolana arosontsika:
Manome cd gratuit
misy tahirin-kevitra sy logiciel tsy ilana connexion, afaka hampiasain’izay manana ordi rehetra, na dia tsy zavatra tonga lafatra aza.
Mety hoe somary ohatra an’ireny kompil cd ireny ilay izy izany fa miampy tahirin-kevitra amboniny!!!!!
Amin’izao voalohany izao isika no mety ho sahirana manao azy, fa avy eo inoako fa ho hitantsika ny hanaovana azy. Dia atao izay hamoahana version iray na roa isan-taona ohatra.
Tombontsoan’ny ifg mety ho azo amin’izay:
Momba an’io resaka farany io, noeritreretiko izany hoe avela ho azo ampiasaina anaty kapila henjana ny wiki, azo soratana sy ovaina. Asiana tutorial kely ao ahafahana maka izay pejy novaina tao, ary angatahantsika avy any amin’ny mpamaky/mpanova ny fiovana avy eo.
Mety misy olona afaka/te-hanampy tsinona any, fa ny connexion no mi-limiter an’azy.
Tratran’ny kinova fahatelon’ny IFG ihany izy ity, fa mbola tsy mety masaka tsara
Noho ny fiovana nentin’ny IFG v.3 dia manamora kokoa ny tetikasa CD IFG, satria natambatra ato amin’ny wiki daholo ny lesona sy ny wiki. Ary ambonin’izay dia wiki php no ampiasaina. Ilay vahaolana noheverina ho sarotra indrindra izany no nidirana.
Araka izany dia dokuwiki no ampiasaina. Mifamatotra amin’ny fikojakojana ny wiki koa izany ny asa sasany miaraka eto. Ireto izany no asa mila atao momba ny tetik’asa:
Momba ny vontoatiny
Momba ny rindrankajy hampiasaina
Momba ny fandraisana anjara
Raha ilaina ho dynamika ilay izy, dia azo atao ny mampiasa webserver anaty cd hizarana azy.