Ny CSS (Cascading Style Sheet) dia fitaovana natao hanamorana ny fanamboarana endriky ny pejy amboarina amin’ny HTML , amin’ny alalan’ny fampiasana style. Ny antony dia tsy hamerimberenana ny endriky ny soratra isaky ny hametraka balise iray.
Nivoatra ny CSS taty aoriana, ka lasa fitaovana fanaovana mise en page mihitsy. Raha mampiasa table no fanao handaharana zavatra eo ambony pejy HTML iray taloha, dia efa voatsindrin’ny CSS izany ankehitriny.
Ny CSS dia mety ho hita amin’ny endriny telo:
<P style="text-align:right; color:red; font-size:0.9em; font-style:italic">...</P>
Ampiasana ny balise STYLE ao anatin’ny HEAD ka ao no ametrahana ireo karazana styles
<HEAD> <STYLE type="text/css"> <!-- ato ny rediredy CSS --> </STYLE> </HEAD>
Ao anaty rakitra iray, ohatra style.css, no asiana ny styles rehetra, , ka antsoina amin’ny tag LINK ao anatin’ny HEAD ihany. Andalana ohatra an’izao no ampiasaina amin’izany:
<LINK rel="stylesheet" type="text/css" href="style.css">
Ny CSS dia ampiasaina miaraka amin’ny pejy HTML:
- Anaran’ireo tag ihany no hamaritana ny style-ny:
body { background-color: #ffffff; }
– Mbola hotohizana – Ahoana ilay mampiasa import????aza adino