Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/8/871033dfdb622e817352f13a8f75e44a.xhtml failed

===== Cygwin ===== Cygwin dia **environnement Linux** ho an'ny Windows. Izany hoe afaka mampiasa sy mandefa ireo praograma Linux ianao fa amin'ny Windows indray. Mizara roa izy ity : * Misy ny emulateur ny API Linux , dll iray antsoina hoe **cygwin1.dll** no manao an'izany * Dia misy ireo kirakira, rindrankanjy (software) samihafa ===== Cygwin/X ===== **Ny Cygwin/X** indray dia famindrana ny **X Windows System** handeha amin'ny Windows. Tafiditra ao anatin'izany ny X Server, librairie isan-karazany, ny client. Noho izany dia azo atao koa ny mandefa ny [[DesktopEnvironment|environnement de bureau]] toy ny [[GNOME]], [[KDE]] sns amin'ny Windows. ===== Fanamarihana ===== * Tsy azo atao avy hatrany ny mandefa praograma Linux hiodina anaty cygwin fa tsy maintsy manao **recompilation** * Ny tena ilàna cygwin matetika dia amin'ny compilation source ho ana-rindrankajy anankiray nosoratana manokana ho an'ny tontolo Linux, kanefa tiana halefa amin'ny Windows. Ohatra iray amin'izany ny compilation PHP na Apache avy amin'ny source. * Indraindray koa dia misy rindrankajy efa tena ''saika'' vonona handeha amin'ny Windows mihitsy, izany hoe efa .exe ilay izy, kanefa mila dll maro izay ao anaty cygwin. * Mavesatra dia mavesatra ny cygwin, satria raha ny farafahakeliny amin'ny totalin'ny haben'ireo rakitra mila ananana dia 40Mo. Farafahakeliny io fa raha haka ny cygwin feno dia mety hihoatra ny 700Mo. Ho fanampiana anao izay mety ho liana amin'ny fampiasana cygwin dia efa misy CD cygwin tonga eto Madagasikara, miaty eo amin'ny 650Mo eo ho eo, ary afaka alainao any amin'ny mpikambana solontenan'ny infogasy eto Madagasikara, jereo [[cdifg]]. ===== Rohy samihafa ===== * Rohy ofisialy hakana azy : [[http://www.cygwin.com/]]

 

cygwin.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43