Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/8/821a00a780a76b5fd8e3d7925fc02f04.xhtml failed

====== Fametrahana serveur SSH (OpenSSH) amin'ny Windows ====== Voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy mampiasa [[cygwin]] isika hahafahana mametraka azy amin'ny Windows ary tsara raha Windows NT sy ny fianakaviana no ampiasaina @ izany. Ny [[cygwin]] dia environnement [[Linux]] ho an'ny [[windows]].Toy izao ary ny fametrahana azy : * Alaivo ny [[http://cygwin.com/setup.exe|Cygwin Setup ]] ka apetraho. * Safidy : ny tena ilaintsika dia ao @ **admin/cygrunsrv** ary ny ao @ **net/openssh**. Safidiany ho azy ny **OpenSSL** manampy an'ireo. Afaka manampy safidy hafa. Tohizo hatr@ farany ny fametrahana. Raisintsika hoe ao anaty **c:\cygwin** no miasa. * Mamorona variable d'environnement **CYGWIN** ary ny ao anatiny ataovy hoe **ntsec tty** . Ao @ **proprietes Poste de Travail/Avance** no hahitana an'io. * Ovay ny variable d'environnement **PATH** ny windows ka ampio **C:\cygwin\bin** izany. * Manokafa terminal cygwin. Tendreo ny baiko **ssh-host-config -y** . Io no mamorona sy mametraka ireo fichier ilaina isan-karazany.Ary rehefa mangataka izy hoe **"CYGWIN="** dia valio hoe **"tty ntsec" ** * Tendreo ny baiko : **cygrunsrv -S sshd ** na **net start sshd** izay mandefa ny service ===== Fanandramana azy @ alalan'ny client ssh ===== Toy ny serveur dia betsaka ihany koa ny client ssh azo ampiasaina.Misy ny mandoa vola ary misy ny azo ampiasaina maimaim-poana. - Ny azo atao hanandramana ny serveur napetraka dia ao @ cygwin ihany atao toy izao : **ssh localhost** dia anjaranao ny mamaly izay angatahiny eo. - Azo atao ihany koa ny mampiasa [[putty]] izay anisan'ny client ssh malaza tokoa.Avela ho an'ny mpamaky ary ny fitrandahana ny fomba fampiasa izany izay tsy dia sarotra loatra. ===== Famaranana : Inona no azo ampiasaina azy ? ===== Misy ohatra ny fomba fampitana ny fichier @ alalan'ny ssh izay voaaro tsara tsy toy ny ftp. Mampiasa scp ohatra. Ao ny fampiasana [[CVS]],[[Rsync]],[[VNC]],... **Betsaka ny azo atao ka anjarantsika tsirairay avy ny maminavina izany** ==== Jereo koa ==== * [[Port Forwarding]]

 

cygwinopenssh.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43