: Tsy mamafa ny donnees efa ao anaty kapila ny fanovana partition
Ny kapila henjana dia azo zarazaraina ho efitra maromaro araka izay ilana azy. Ny efitra tsirairay no atao hoe “partition“. Voatahiry ao anaty faritra voatokana amin’ny fiandohan’ny kapila henjana, izay antsoina hoe “partition table” ny momba ireo partition amin’io kapila io.
Matetika dia ananki-4 ihany no isan’ny partitions zakan’ny partitin table. Ireo partitions ireo no atao hoe “primary partition“. Indraindray anefa mila partitions betsaka noho izay, ka iretsy voalohany dia mbola azo zaraina ho “extended partition” na koa hoe “logical partition“.
Ny filesystem dia ny fomba fandaminana ireo donnees eo ambonin’ny kapila. Ireo journalized filesystem dia mampiasa fichier journal izay mirakitra ireo fanovana farany natao teo amin’io filesystem io. Ny kapila iray na partition iray izany dia tsy maintsy manana filesystem vao afaka mitahiry donnees. Ireto misy filesystems vitsivitsy sy ireo OS mampiasa azy
- non journalized filesystem:
- journalized filesystem:
Matetika dia alohan’ny hametrahana OS no manamboatra partition. Ho amin’izany dia misy ny kirakira fdisk azo ampiasaina, amin’ny MSDOS/Windows sy Linux/Unix.
Indraindray ohatra efa misy windows amin’ny solosaina, nefa tiana hasiana Linux, ary tsy tiana ho very ny donnees ao anatiny. Azo atao tsara izany ;), fa ilaina manao defragmentation fotsiny aloha. Ireto misy fitaovana azo ampiasaina:
- Mandeha amin’ny MSDOS/Windows:
- Mandeha amin’ny Linux:
Indraindray izy ireny hita anaty liveCD na RescueCD. Ny Knoppix ohatra miaraka amin’ny qtparted
- Mandeha amin’ny MacOSX :
Ahafahana manamboatra partition tsy mila formatage io baiko io miaraka amin’ny fanampim-baiko diskutil resizeVolume. Manomboka amin’ny kinova 10.4.6 ihany no mandeha io. Jereo eto misy ohatra fanazavana momba ny fampiasana azy.
Famakiana Partition Linux amin’ny Windows
Famakiana Partition NTFS Windows amin’ny Linux
Famakiana Kapila Mac amin’ny Windows
Fikirakirana partition Windows amin’ny Windows
Famerenana ny Boot Manager Windows averina tokana
Mitranga izy rehefa avy nanao install dual boot miaraka amin’ny Linux ohatra dia hitsahin’ny Boot Manager GRUB na LILO.
Famerenana na fanamboarana Boot Manager Linux simba
Misy Boot Manager anankiroa no anisan’ny malaza dia ny GRUB sy ny LILO. Samy mampiasa fichier de configuration avy izy ireo ka ny fahafantarana ny dikan’ny ao anatin’izany dia manamora ny fikirakirana azy. Raha ho an’ny GRUB dia azo atao ny mikirakira azy amin’ny alalan’ny baiko grub ary mihatra avy hatrany ny fanovana, raha ho an’ny LILO kosa dia mila fichier de configuration lilo.conf anankiray ohatra misy ny lisitry ny partition azo arehitra ary tsy maintsy averina soratana izany (baiko lilo ihany) vao manankery.