Ny “distribution” dia azo faritana ho tambatry ny kernel Linux sy ireo antontan-kirakira avy amin’ny tetik’asa GNU ary logiciels samihafa.
Ny mampiavaka ireo distributions voalohany dia ny fitaovana fitantanany ireo antontan-kirakira. Izay no ahafahana mametraka sy manala, ary mitondra ny fifampiankinan’ireo kirakira samihafa. Karazany telo no tena fampiasa matetika :
Mbola zavatra betsaka no iavahan’ny distributions tsirairay, toy ny fomba ni-compiler-ny ny kernel, ireo karazana kirakira miaraka aminy, ny fomba fanaovana ny configurations, ny installeurs sy ireo zavatra ananan’ny tsirairay manokana ho azy. Sarotsarotra ny manakilasy an’ireo distributions rehetra, na izany aza mety mahita fanasokajiana azy ihany isika:
Isan’ny distributions efa ela ny RedHat. Betsaka ny distributions nivoaka avy taminy, ka ny azo tanisaina dia: ny RedHat (mazava ho azy), Mandrake, Suse, Conectiva, Linare, Lycoris, Aurox, sns ... Ny tetik’asa Fedora Core no mandimby ny redhat maimaimpoana ho an’ny daholobe, fa ny RHEL (RedHat Enterprise Linux) kosa dia amidy. Ny CentOS, White Box Linux, Tao Linux dia distributions avy amin’ny RHEL, saingy maimaimpoana.
Ny Debian koa dia efa ela, ary malaza amin’ny maha stable azy. Saingy sarotra ampiasaina izy ho an’ny sarambabem-bahoaka hatramin’izay. Maro vokatr’izany ireo distributions izay mifototra aminy, ary misy aza no amidy. Isan’izany ny Ubuntu, Knopppix, Mepis, Xandros, Linspire, ...
Distribution malaza koa ny slackware, be mpampiasa sy stable, saingy tsy natao ho an’ny daholobe. Misy ihany ireo distribution nivoaka avy taminy, saingy vitsy toy ny Slax, Vector Linux.
Tsy tafiditra ao anatin’ireo daholo ny distributions rehetra, fa mbola maro karazana. Ao ohatra ny Gentoo izay natao indrindra ho personnalisable, ireo distributions metisy ohatra ny Yoper, sy ireo “from scratch” izany hoe azo avy tamin’ny compil sy fanakambanana ny sources -n’ireo kernel sy kirakira isan-karazany.
Rehefa handefa azy dia atao anaty famakiana azy ny CD na DVD, ary alefa ny solosaina. Mety mila config hi-boot @ cd ny bios alohan’izay. Ireo distribution live tena malaza dia ny Knoppix, Mepis, Mandrake Move, sns. Efa betsaka ireo distributions mahazatra no manome kapila live.
Maro koa ireo distribution natao ho an’ny fampiasana iray na hanana toetra miavaka iray, ka manana ny rehetra ilaina amin’iny saingy tsy ampy ho an’ny fampiasana hafa. Mety ho hita amin’izany ireo:
sy ny maro hafa koa