Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/c/c4ca75cd6e4351091df0a5ad50514715.xhtml failed

Framework .Net

DotNet na koa hoe .Net moa dia Framework vaovao namboarin’ Microsoft. Ny DotNet dia tsy hoe ireo teknolojia taloha no novaina ny anarany dia natao hoe .Net fa fomba fijery hafa vaovao mihitsy.

Ny .Net dia standard mipetraka nanomboka tamin’ny volana Desambra 2001. Ny anaran’ireo rakitra izay hita ao @ ECMA dia ireto :

  • ECMA-334 standard mikasika ny langage C#
  • ECMA-335 standard mikasika ny CLI

Noho ireo standard mipetraka ireo dia afaka manao implementation tsy miankina ny CLI ka izany no antony nipoiran’ny tetik’asa Mono amin’ny Linux na ny ROTOR amin’ny FreeBSD. Dia toy izay ihany dia misy koa ny .Net Compact Framework ho an’ny Pocket PC sy ny namany.

Ny teknolojia .Net dia manakaiky tokoa ny teknolojia Java/Java EE izay tsy mahagaga moa izany satria nohon’ny fitorian’i Sun an’i Microsoft tamin’ny andron’ny J++ sy ny JVM izay tsy manaraka ny fepetra no nahatonga an’i Microsoft nanamboatra ny teknolojia vaovao hahitana langage maro toy ny C#, VB.NET, Python, Nemerle,...

Anisan’ny tena tanjaky ny framework .Net ny tsy fiankinana amin’ny langage. Ankoatr’izay dia ny fampiasana XML koa no tena hita miverina matetika ao aminy amin’ireo kirakira ampiasainy samihafa.

Hita ao anatin'ny .Net ny karazana teknolojia maro toy ny :

; CLR (Common Language Runtime) : Machine virtuelle manodina ny praograma. Fanodinana ireo code manage . Ny dikan’ny code manage dia voafehin’ny runtime manokana ny fandefasana azy, mifanohitra amin’ny natif izay tonga dia mivantana avy hatrany, tsy voafehy. ; CLS (Common Language Specification): Speficiation iraisana mba hahafahana mampiasa ny vokatra natao tamin’ny language hafa amin’ny Framework .Net. Noho izany dia manampy an’izy ity koa ny CTS (Common Type Specification). Raha tsorina dia ny zavatra nataonao tamin’ny VB.NET dia tokony ho azo ampiasaina amin’ny praograma natao tamin’ny C#. ;MSIL (Microsoft Intermediate Language) : Ny compilation amin’ny code manage dia tsy natif avy hatrany fa lasa MSIL aloha. Tsy miankina amin’ny microprocesseur manokana izy io. Rehefa tena handefa azy dia io code MSIL no havadiky ny compiler (JIT : Just-In-Time compiler) ho code mifanaraka amin’izay processeur eo

Hita ao ihany koa

  • ASP.NET : Teknolojia mikasika ny resaka Web sy ny mifandray aminy.
  • ADO.NET : Teknolojia mba hahamora ny fikirakirana ny tahiry samihafa.

Teknika samihafa

Rohy samihafa

Ity misy rohy ahafahanao mijery ireo e-demos tamin’ireo fihaonana Microsoft

Samihafa

 

dotnet.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43