Napetraka ato amin’ny wiki izany ny asa fandikana ny drupal amin’ny teny malagasy. Fiteny frantsay no nalaiko, fa rakitra teny anglisy no nomeny. Dia izay no apetrako eto aloha. Rehefa mandika dia aleo ilay teny madinidinika ireny no adika voalohany, fa ireo lahatsoratra lava be no aleo miandry farany.
Ity lahatsoratra ity dia atao anaty fichier mg.po ka ohatrohatra an’izao no fomba handikana azy:
#: /drupal/?q=admin/filters/smileys msgid "smiley" // Eto ny teny original msgstr "sarintsiky" // Soratana eto ny dikanteny malagasy
Eo amin’ilay msgstr izany no asiana ny dikanteny.
Ity izany ny rakitra hadika: fr-4.6.0.tar.gz .
Mba hamorahana azy dia afaka mampiasa ny rindrankajy 7zip raha amin’ny windows, raha amin’ny linux kosa dia tar -zxvf fr-4.6.0.tar.gz no baiko ampiasaina.
Avy amin’ny teny frantsay izany no handikantsika azy, ary havelantsika ho fr.po ihany ny anarany. Aleo izay hametraka azy no hanova azy ho mg.po.
Izay nanampy dikanteny dia iangaviana mba hametraka ilay fichier eto, ka ifanarahana fa hatao fr.po.anaranao.daty_sy_ora ny anaran’ny rakitra hasiana azy. Ohatra hoe “fr.po.lapino.270206.15-30” ny rakitra nataon’i lapino ny 27 febroary 06 tamin’ny 15 ora sy 30 minitra.
Io bokotra fametrahana sary io ihany no ampiasaina amin’izany. Dia mazotoa daholo àry e! :)
Kinova :
fr.po.fraz.270206.13-43.zip (Laviny ny lefa raha alefa amin’izao dia natao format zip)