Ny ecran dia ilay velarana mazava amoahan’ny solosaina ny donnees avy aminy amin’ny an-tsoratra na an-tsary. Ny moniteur indray dia ilay vata misy ny ecran.
Ny hoenti-mandrefy ny ecran dia:
- Ny savaivony izay refesina amin’ny inch (” na pouces), ahitana an’ireo 12”, 14”, 15”, 17”, 19”, 21”, ...
- Ny format-ny: 4/3 no proportion fampiasa tamin’ny ecran hatramin’izay, fa taty aoriana dia hita fa ahazoan’ny mpijery aina kokoa ny ecran lavalava kokoa noho izay, dia nanamboarana ny format 16/9
- Ny resolution lehibe indrindra , izany hoe ny isan’ny pixels afaka avoakany izay soratana amin’ny endrika: Lavany x Sakany.
Ho an’ireo ecran 4:3
Ho an’ireo ecran 16:9
Misy karazany roa izy: ny ecran CRT sy ny ecran fisaka. Efa misy koa aza ny ecran mety mihorona, saingy mbola tsy eo amin’ny tsena ho an’ny rehetra.
Amin’ny port VGA na DVI no ampifandraisana azy amin’ny solosaina, eo amin’ny karatra grafika. Ny VGA no tena fampiasa. Amin’ny DVI indray dia donnees numerique avy hatrany no raisin’ny ecran fa tsy mila mandalo fanovana nomerika > analojika intsony. Arakaraka an’ilay ecran sy ilay karatra grafika no ahafahana mampiasa azy.