Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/e/e0e55f4dc4cedc73627b10a9090e97dc.xhtml failed

Ny ecran fisaka dia teknolojia-na ecran nipoitra taty aoriana izay mampiasa indrindra krystaly mitsiranoka (LCD: Liquid Crystal Display). Ny ecran’ny solosaina finday, milina fanaovan-kajy, karazana fitaovana finday na hafa mila ecran no tena nampiasana azy tamin’ny voalohany, fa ho an’ny solosaina mipetraka sy vata fahitalavitra kosa taty aoriana. Misy ireto karazany telo ireto:

- Matrice passive: Ny LCD taloha, tsotra indrindra.
- Dual scan: LCD matrice passive ihany, fa avo roa heny amin’itsy voalohany ny fanavaozany ny zavatra asehony. Izany hoe somary tsaratsara kokoa
- Matrice active: antsoina koa hoe TFT (Thin Film Transistor). Amin’ity iray ity, ny pixel tsirairay avy dia komandina transistor iray na maromaro. Noho izany dia afaka miova malaky kokoa ny sary, izany hoe misosasosa tsara, ary mivoaka tsara kokoa ny loko. Io izao no tena be mpampiasa amin’izao fotoana izao.

Ny Tombony: - maivana, tsy mibahan-toerana
- tsy mandany angovo
- tsy dia mahery loatra ny hazavana avoakany

Ny tsininy:
- lafo vidy
- miova ny hatsaran’ny sary rehefa jerena mihorirana

Raha hividy

Raha manam-pikasana hividy dia ireto no mason-tsivana hisafidianana:
- masontsivana ankapobeny:

  • ny endriny ho an’ny esthetique (izay tianao iny)
  • ny marque ho an’ny prestige, raha hividy lafo ihany
  • ny vidiny (arakaraka ny budget-nao)

- masontsivana teknika:


  • Contraste: lehibe izy no tsara (miavaka tsara ny loko)
  • temps de reponse: kely izy no tsara am’zay tsy dia misy sary mitarazoka.
  • luminosite: ambony izy no tsara. Tsy dia ilaina indray anefa raha mankarary maso.
  • ny connectique: tsy maintsy misy VGA aloha. Fa raha misy sortie DVI ny karatra grafikanao dia mety ho tsara ihany raha misy DVI koa ilay ecran.

Jereo koa

 

ecranfisaka.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43