Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/b/bfe11cf03cc7a02778926b602c62bdc6.xhtml failed

===== eMule ===== **eMule** dia client amin'ny rezo P2P [[eDonkey]]. Tamin'ny taona 2002 rehefa tsy nahafam-po an'Ingahy **Merkur** ny eDonkey2000 dia nanapa-kevitra niaraka tamin'ny namana vitsivitsy ny hamorona vaovao. Nipoitra arak'izany eMule izay rindrankajy maimaim-poana tanteraka. Fifanakalozana fichier samihafa no tena ampiasaina azy ary miodina amin'ny [[Windows]] ihany izy. ===== Fomba fampiasa azy ===== ;**Toerana hakana azy**: [[http://www.emule-project.net/]] ; **Fametrahana azy**: Tsy dia sarotra fa arahana fotsiny izay teneniny eo. Rehefa voapetraka hatramin'ny farany ka handefa azy voalohany dia misy tari-dalana manoro anao hahafahana mampiditra ny anarana, ny [[port]], ny tosaky ny connexion hanananao sns. Matetika efa asiana ohatra tsy mila ovaina daholo ireo rehetra ireo. ;**Connexion**: Rehefa vita izay dia tokona hahita lisitra Serveur maromaro ianao. Tsindrinao ny bokotra **Connecter** dia izy no manao azy eo. Hitanao ery @ ankavanana ambany na amin'ny sisiny raha toa ka tafiditra ianao na tsia. ;**Low ID na High ID**: Eo amin'ny ankavanana ihany dia tokony ho hitanao eo koa misy soratra High ID na Low ID eo arakaraka. Raha Low ID no azonao dia sarotsarotra ho anao kokoa ny maka fichier fa azo ihany anefa amin'ny farany. Ny tsara izany dia manana High ID foana. Misy fanazavana mitombina azo hanazavaina azy fa tsy dia ilaina amin'ny fampiasana azy andavanandro ka avela ho an'ny pejy hafa. ;**Hitady fichier**: Tsindriana ny bokotra ery ambony hoe **Rechercher** dia soratana ny **mots cles** vitsivitsy. Tsindriana avy eo ny **Demarrer** dia tokony hiseho eo ny valin'ny fizahana natao. Raha te haka ilay fichier dia manao double-click fotsiny ihany. Afaka tazaninao amin'ny bokotra **Transfert** ny sarika ataonao avy eo. ===== Fanontaniana/Valiny (FAQ) ===== ; **Ahoana ny atao raha te hanana High ID ?** : Tokony afaka hidirina ny port nametrahana ilay eMule, ohatra hoe **4662**. Raha milina manokana mifandray mivantana amin'ny Internet dia mila omena alalana hahazoana miditra io port io (Raha misy firewall izany dia jereo ny fanokafana azy). Raha anaty rezo kosa, izany hoe [[routeur]] ohatra no mizara ny connexion dia mila ahondrana (forward) mankany amin'ilay milina misy ilay eMule ny port (ohatra : 4662). Raha misy **milina maromaro** tiana hanana High ID anaty rezo anankiray dia **port samihafa** avy no ataon' amin'izy ireo. ; **Aiza no mipetraka ireo zavatra azoko ? ** : Valiny (Hitohy..) ===== Jereo koa ===== * [[eDonkey]] ===== Nandray anjara ===== * --FRAZ

 

emule.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43