Ny environment variables na variables d’environnement dia variables ilain’ny OS amin’ny fiasany na fampandehanana programa sasantsasany
Ny variables sasantsasany dia misy foana, ary ilain’ny OS. Ny sasany indray mety ho ilain’ny fihodin’ny rindrankajy sasantsasany, ka arakaraka izay no mampisy na tsy mampisy azy. Matetika izy ireny dia chemin mankamin’ny repertoire no ao anatiny.
... azo ampiana
Klik havanana eo amin’ny Poste de travail > Propriétés
Onglet Avancé, dia misy bokotra ery ambany ery hoe “Variables d’environnement”
Ohatra hoe bash ny mpandika baiko ampiasaina, ka hampiana ao amin’ny variable d’environnement PATH ny repertoire courant . sy ny /usr/sbin. Mampiasa ny baiko export ary elanelanina teboka roa “:” ny chemin tsirairay. Mety miova kely ny fanaovana azy raha mpandika baiko hafa.
$ echo $PATH # mampiseho izay ao anatin'ilay variable $ export PATH = "$PATH:.:/usr/sbin" # manampy ny /usr/sbin ao anatiny $ echo $PATH # jerena indray raha tafiditra ao tokoa
Raha tiana hihatra fehizay io dia ampiana ao anatin’ny ~/.bashrc ilay andalana misy ny baiko export.