Ny rakitra /etc/passwd dia misy ny mombamomba an’ireo mpampiasa (User). Andalana iray izany ho an’ny User iray, ary toy izao no firafiny:
Anarana:Alahidy:UID:GID:Geco:Home:Shell
Misy saha (field) maromaro voaelanelana teboka roa (:) avy. Ny sandan’ireo dia tsy misy afaka asiana teboka roa. Ireto avy ireo saha:
Ireo zavatra rehetra ireo dia azo amboarina amin’ny karazana baiko (jereo etsy ambany), fa azo atao koa ny manova azy mivantana ao anatin’io rakitra io. Ohatra, raha hamafa user iray.
jereo amin’ny pejy manuel: man baiko
chfn : manova ny Geco
chsh : manova ny Shell
chuser na usermod: manova attributs ho an’ny user
lsuser : mitanisa ireo users
mkuser na adduser na useradd: mamorona user vaovao
rmuser na userdel: mamafa user efa misy