Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/e/e121d555a22720c93c50acf3341af5d0.xhtml failed

/etc/passwd

Ny rakitra /etc/passwd dia misy ny mombamomba an’ireo mpampiasa (User). Andalana iray izany ho an’ny User iray, ary toy izao no firafiny:

Anarana:Alahidy:UID:GID:Geco:Home:Shell

Misy saha (field) maromaro voaelanelana teboka roa (:) avy. Ny sandan’ireo dia tsy misy afaka asiana teboka roa. Ireto avy ireo saha:

  • Anarana: ilay anarana anaovana login, anokafana session
  • Alahidy: ny alahidy miaraka amin’ilay anarana. Crypte io alahidy io fa ny tompony ihany no mahafantatra azy. Ary ampitovian’ny systeme amin’io ny alahidy ampidirina rehefa manokatra session
  • UID (na User ID): laharana anavahana an’ilay user
  • GID (na Group ID): laharana anavahana ny vondrona (group) misy an’ilay user. Mety ho mpikambana amina vondrona maromaro ny user iray, fa ny vondrona izay voasoratra eto no principal group misy azy
  • Geco: komantera fotsiny. Tsy mahazo misy teboka roa (:)
  • Home: ny repertoire manokana (personal folder) an’ilay user, ohatra hoe /home/Anarana
  • Shell: ny mpandika baiko miasa rehefa manokatra session ilay user

Ireo zavatra rehetra ireo dia azo amboarina amin’ny karazana baiko (jereo etsy ambany), fa azo atao koa ny manova azy mivantana ao anatin’io rakitra io. Ohatra, raha hamafa user iray.

Jereo koa ireto baiko ireto

jereo amin’ny pejy manuel: man baiko

chfn : manova ny Geco
chsh : manova ny Shell
chuser na usermod: manova attributs ho an’ny user
lsuser : mitanisa ireo users
mkuser na adduser na useradd: mamorona user vaovao
rmuser na userdel: mamafa user efa misy

Jereo koa

 

etcpasswd.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43