Excel de rindrankajy natao hikirakirana tabilao ( na fafana ) . Ny rakitra iray, antsoina koa hoe pirina na kilasera de ahitana takelakajy iray na maromaro ( hatramin’ny 256 ). Ny takelakajy iray dia miendrika tabilao misy tsanganana 256 sy tsivalana 65536. Saika ny karazana done mahazatra de azo kirakiraina amin’ny Excel avokoa : isa,soratra,daty sy ora. Excel dia manana lefa ( fonction, function ) maromaro miaraka aminy. Azonao atao koa ny mamorona lahakajy ( programme?) amin’ny alalan’ny kiteny VBA izay efa miaraka aminy. Azo atao ihany koa ny mamoaka kisary amin’ny endrika samihafa anehoana ny done.

 

excel.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43