Amin’ny OS toy ny Windows dia mizara roa ny anarana fichier: anarana.ext

ilay ampahany aorian’ilay teboka farany io no antsoina hoe “extension”. Ny extension no ahafantarana ny karazana fichiers. Ary ny karazana fichiers no ahafantaran’ny OS ny logiciel hanokafana ilay fichier. Ireto misy karazany matetika fahita:

  • .exe, .com, .bat, .vbs: executables
  • .txt : lahatsoratra
  • .rtf : lahatsoratra formate
  • .doc, .xls, .ppt, .pps, .mdb : Fichiers MS Office: Word, Excel, PowerPoint, Diaporama PowerPoint, Base de donnees Access
  • .bmp , .jpg, .png, .gif : Sary
  • .avi, .mpg : sarimihetsika
  • .wav, .mp3, .ogg : feo
  • .pdf, .ps : fitaterana fichiers efa vita printy elektronika
  • .htm, .html : takila web
  • .php, .asp, .jsp : takila web dynamika
  • .zip, .rar, .jar: rakitra voafatratra

Ato misy lisitra maromaro kokoa : http://perso.easynet.fr/~cibderf/
Ity misy vala ahafahana mahazo antsipiriany momba izay extension tadiavina: http://filext.com/

 

extensions.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43