Extreme Programming

Fomba fitondra asa tafiditra ao anatin’ny methode Agile ary processus iteratif (miverimberina) ny eXtreme Programming (XP). I Kent Beck no namorona azy. Ny sehatra IFG dia mandala ny eXtreme Programming ary mampihatra izany eo amin’ny fitondrana ny zavatra atao eto amin’ny sehatra. Ary hinoanay fa anisan’ireo fomba tokony hampiarin’ny orinasa Malagasy amin’ny fitondrana ny asa raha tiana ny handroso.

Noho ireo akon’ny fitondra asa sasany izay hita fa misy lesoka no namoronana azy ary omeny lanja be kokoa ny fiaraha-miasan’ny tsirairay eo amin’ny fanatanterehana ny atao. Ao anatin’izany ny fifampiresahana mivantana eo amin’ny mpandray anjara.

Hofakafakaina miandalana amin’ity pejy ity ny mikasika azy. Hafohezintsika hoe XP fotsiny izy mandrintra ny famelabelarana. Izay fanafohezana azy ofisialy rahateo moa izany.

Ny tombony mety ho azo aminy

Eo amin’ny resaka fanamboarana rindrankajy dia tsy azo hialana intsony ny fiovan-javatra (changement) izay lasa mateti-piavy mihitsy. Ny XP dia anisan’ireo fitondra izay mihomana amin’ireo fiovana ireo. Araka ny fantatra hatramin’izay matetika mantsy dia 80% ny vola natokana ho amin’ny asa iray dia lany amin’ny resaka maintenance ary arakaraka ny mahabetsaka sy mahaela ny fanovana no mahalafo azy. XP dia afaka milaza fa tokony hitovy hatrany ny saran’ny fanovana na androany no atao na afaka herintaona (raha manaraka ireo fepetra ao anatiny mazava ho azy). Mihena arak’izany ny TCO (Total Cost of OwnerShip).

Filamatra entiny

Anisan’ny mahatsara ny XP ny manome lanja ny fifandrasaina eo amin’ny mpandray anjara amin’ny asa.

Communication: Ilaina ny fifampiresahana eo amin’izany. Tsy vitan’ taratasy sy ny antso antarobia fotsiny anefa fa ny tiana resahana eto dia ny fifampiresahana mivantana mifanatrika mihitsy mba hahamora ny fanazavana sy hanafaingana ny fanatanterahana ny asa.

Simplicity: Aleo manao zavatra tsotra nefa mahafeno sy ampy amin’ny ilain’ny client azy. Ankoatr’izay dia ao koa ny hoe aleo manome zavatra kelikely sy tsotra nefa mandeha.

Feedback: Miankina amin’ny tatitra avy amin’ny asa natao teo aloha ihany no hanaovana ny asa manaraka.

Courage : Ny tsirairay dia afaka ary hamporisihana haka fanapahan-kevitra amin’izay mety hahatsara ny asa.

Ireo tetik'ady ao anatiny

Planning Game: (Jeu de planification iterative)

Small Releases: (Livraisons frequentes)

Simple Design: (Conception simple)

Testing: (Tests unitaires et recettes)

Continuous integration: (Integration continue)

Refactoring: ()

Pair programming: (Programmation en binome)

Collective ownership: (Responsabilite collective du code)

40-hour week: (Rythme Durable)



On-site customer : (Client sur site)

Metaphor : (Metaphore)

Coding standard :(Regles de codage)

... (Hitohy ihany)

Ireo mpandray ao @ XP

Customer : Na ny Client , anjarany no miteny ny zavatra tokony atao, ny zavatra tiany ho azo. Manoratra ny User Stories(ireo karazana fomba mety hampiasaina ny systeme rehefa miodina , araka ny niheverany azy, mety hiova eny an-dalana eny) no fomba hanehoany izany. Tsy olona iray akory fa mety ho maromaro. Tokony hahafantatra amin’ny antsipirihany ny metier atao izy , ny pitsopitsony amin’ny processus metier rehetra, ary azo hanontaniana mivantana raha misy ny olana. Anjarany ihany koa ny manoratra na milaza ny Test de Recette (Acceptance Tests). Mety ho anisan’ireo olona hampiasa ny vokatra rehefa vita ihany koa izy.

Developer: ()

Tracker: ()

Coach: ()

Manager: ()

Tester: ()

...(Hitohy)

Zon'ny mpandray anjara

Customer : ...

Developer: ...

Ireo fitaovana fampiasa amin'ny XP

  • Testing : Unit Testing(Unitaire) → xUnit, Acceptance (recette) ....
  • Refactoring : Refactoring Browser
  • Collective Ownership : cvs, svn
  • On-Site customer : Wiki
  • Coding standards : (.NET)→ FxCop, (J2EE) → Jalopy
  • Small Releases :
  • Metaphor
  • Simple Design : TDD (Test Driven Development)

Rohy samihafa

 

extremeprogramming.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43