Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/a/a4f383fffda5cefa70ac7a3bfc1e7b7f.xhtml failed

====== Famatrarana ====== Ny famatrarana (//Compression//) dia fampihenana ny hadirin'ny rakitra. Ireo rakitra makadiry loatra manko dia mametraka olana amin'ny: * fitahirizana azy: mibahan-toerana loatra\\ * fitaterana azy: voafetra matetika ny tosaka ahafahana mitatitra azy anaty reseau na amin'ny internet. ==== Fanamboarana archives ==== Azo atao ny manakambana fichier sy/na dossiers iray na maromaro ka afatratra anaty rakitra iray ihany. Io rakitra voafatratra io no atao hoe "//archive//". Ireto misy rindrankajy vitsivitsy fikirakirana archives: - Ho an'i Windows:\\ * **WinZip** [[http://www.winzip.com/]]\\ * **WinRar** [[http://www.rarlab.com/]]\\ * **Izarc** [[http://www.izarc.org/]] : maimaimpoana\\ * **7-Zip** [[http://www.7-zip.org/]] : maimaimpoana\\ - Ho an'i Linux: \\ * **tar**: jereo **man tar**\\ * **gzip**: jereo **man gzip**\\ * **bzip2**: jereo **man bzip2**\\ Jereo koa: [[KomandyUnixInst|Fametrahana rindrankajy amin'ny linux]] - Ho an'ny MacOS:\\ * **Stuffit expander**: [[http://www.apple.com/downloads/macosx/system_disk_utilities/stuffitexpander.html|http://www.apple.com...]] ==== Famatrarana Multimedia ==== Ahitana karazany roa ny famatrarana [[Multimedia]]: * //famatrarana tsy mampisy very//: Voatahiry daholo ny kalitaon'ilay rakitra voafatratra, saingy tsy dia mihena betsaka ny hadiriny. Ohatra iray amin'izany izao ny Ogg vorbis (feo). * //famatrarana mampisy very//: Mety hihena be ny hadirin'ilay rakitra, saingy misy very ny ao anatiny ka mampihena ny hatsarany. Misy marimaritra ilaina amin'ireo matetika, ka izany no mahatonga ity fomba famatrarana ity ho be mpampiasa kokoa: afaka mahazo rakitra manify miaraka amin'ny fahaverezana tsy hitan'ny taova fandrenesana.

 

famatrarana.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43