Ny fametrahana diskety dia mitovitovy amin’ny kapila henjana ihany.
Misy nappe iray aloha apetraka amin’ny reni-karatra. Ny tendrony ilany kosa apetraka amin’ilay lecteur diskety. Misy mifamadika ireo fils amin’io nappe io, izay no tonga dia ahafantarana ny nappe ho an’ny diskety.
Tokony ho misy detrompeur koa izy, raha tsy izany dia misy numero ireny pin tsirairay amin’ilay nappe ireny: ilay amin’ny sisiny misy menamena no n°1. Ampifanandrifiana amin’ny numero eo amin’ilay lecteur iny.
Avy eo apetraka indray koa ny alimentation. Manana ny prise alimentation-ny manokana izy, kelikely noho ny an’ireo kapila henjana. Toy ny hitantsika amin’ny sary ny endriny.
Apetraka amin’ny toerana sahaza azy anaty boitier izy avy eo, ary hidiana amin’ny vis tsy hihetsika.
Marihina fa mitovy amin’izao koa ny fametrahana lecteur zip.