Ny kapila henjana (disque dur) horesahantsika dia ny P-ATA sy S-ATA ihany aloha. Ireo manko no tena betsaka.
Mazana misy ports IDE anankiroa ny reni-karatra. Ny tsirairay amin’izy ireo dia afaka mitondra kapila IDE anankiroa avy (4 izany no fitambarany). Ny nappe IDE izany misy connecteur iray apetraka amin’ny reni-karatra ary connecteurs anankiroa apetraka amin’ny kapila. Mitovy tsy misy hafa ireo roa ireo. Ary misy connecteur afaka mandray azy ao ambadiky ny kapila.
Tokony ho misy detrompeur izy. Raha tsy izany dia misy numero ny tsirairay amin’ireo broches, ka izay no ampifanarahana mba tsy hampifamadika azy. Eo amin’ilay nappe dia ilay amin’ny sisiny misy menamena iny no n°1.
Ho an’ireo kapila izay miray nappe, dia tsy maintsy misy atao master sy slave. Misy jumper ao ambadiky ny kapila tsirairay ahafahana manamboatra an’izay. Misy kisary manazava eo amin’ny velarana iray amin’ny vatany. (miovaova arakaraka ny marika sy ny modely manko io).
Ohatra an’izay tsy misy hafa koa ny fametrahana an’ireny Lecteur/graveur CD/DVD ireny.
Marihana fa tsara raha nappe samihafa no misy ny lecteur DVD sy ny kapila henjana, izany dia mba hanamora ny fitaterana donnees rehefa manao gravage. Ary koa mba samy atao master ireo kapila mety hi-boot-n’ilay milina.
Ohatra an’izao ny connections atao amin’ny kapila IDE:
Teknolojia somary vaovao ihany izy ity, fa efa saika misy azy daholo ny reni-karatra vaovao. Hoe ahazoana tosaka ambonimbony kokoa izy.
Hafa ny connecteur miasa aminy, ary tsy voatery mampiasa jumper hanaovana master-slave intsony.
Araka io sary io dia hafa koa ny prise alimentation-ny. Ny kapila sasany dia mampiasa ny an’ny IDE ireny ihany, fa ho an’ny sasany tsy maintsy mampiasa adaptateur kely hanovana ilay alimentation tsotra ho lasa alimentation SATA. Ohatra an’izao:
Taloha: Fametrahana RAM, Tohiny: Fametrahana karatra grafika
Hanambatra solosaina