Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/4/4757b52fb47d53c1bbd15203db1ae5ed.xhtml failed

* **Ny processeur**\\ Ny [[processeur]] ho an'ireo milina PC dia fianakavian'ny x86, ka ireo mitondra marika **Intel** (pentium, celeron) sy **AMD** (Athlon, Duron, Sempron) no tena betsaka. Ireo izany no horesahantsika. //Puce// na //circuit integre// ohatra ny rehetra ihany izy, matetika miendrika efamira. (Ho an'ny milina sasany taloha izy tonga dia mipetaka eo ambony reni-karatra (oh: 80286), ho an'ny sasany voafony miaraka amin'ny ventilo-ny ary amina slot no ametrahana azy (oh: pentium II)) Rehefa mividy dia mila ampifanarahana ny reni-karatra sy ny processeur, indrindra ny //socket//. Ny socket dia mifanaraka amin'ny isan'ireo kitsilotsilo ifampipetahan'izy roa. Misy karazany izy rehefa vidiana, ka ireo version "//box//" dia efa miaraka amin'izay ilaina rehetra, fa raha version "//bulk//" dia mbola mila ividianana ventilo+radiateur sy pate thermique. * **Fametrahana processeur**\\ Ity no sarotsarotra satria mila tsy mangovi-tanana ;-). Eo ambonin'ilay efamira fotsifotsy feno lavaka madinika io no asiana azy. Atsofoka amin'ireny lavadavaka ireny ireo broches (tsilotsilo) amin'ilay processeur. Tokony misy //detrompeur// izy, izany hoe raha diso fitodika ilay processeur dia voasakana tsy ho tafiditra. Kendrena mba tsy hiolana ireo broches ireo, raha tsy izany dia simba ilay processeur. Ireo processeurs vaovao moa efa tsy atahorana io satria natao tsy afaka miolana ireo broches ireo. Ohatrohatra an'izao ny processeur sy ny socket, tonga dia fantatra be: \\ ^ sary processeur ^ socket asiana azy ^ | {{sary:socket.png}} | {{sary:processeur.png}} | * **Fampangatsiahana**\\ Ny processeur dia mamoaka hafanana, ka tsy maintsy esorina izay hafanana izay fa raha mitambatra ao dia mety hanimba azy. Izany hoe ampangatsiahana.\\ Ametrahana //Pate thermique// aloha eo ambonin'ilay processeur, ahosotra tsara hameno ny velarany. Avy eo apetaka eo amboniny ilay radiateur, izay mazana efa miaraka amin'ny ventilo-ny, ary fixer-na avy eo. Ny fomba fanaovana an'io //fixation// io dia miovaova arakaraka ny processeur sy ny ventilateur ampiasaina. Tsy hadino ny mametraka ny //alimentation-n'ilay ventilo// eo amin'ny toerany amin'ny reni-karatra. {{sary:processeur2.PNG}} ==== Jereo koa ==== Taloha: [[Fandrafetana @ boitier]], Tohiny: [[Fametrahana RAM]]\\ [[Hanambatra solosaina]] -----

 

fametrahanaprocesseur.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43