Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/5/50d4fb4e804ccb758e9f1cc0486ec5bb.xhtml failed

Ny [[RAM]] dia //barettes// kely misy //circuits integres// eo amboniny. {{sary:ram.png}} * **Fametrahana azy**\\ Mila hamarinina tsara aloha fa mifanaraka amin'ny reni-karatra izy: SDRAM sa DDR sa RDRAM sa hafa ..., ary raha DDR firy ny hafaingany. Raha hametraka barettes maromaro dia tsara raha mitovy marika izy mba hahazoana antoka ny fandehanany, indrindra mitovy hafaingana. Ny slot asiana ny RAM dia ireo lavalava be, voatondro eo amin'ilay sary ary am-boalohany. Misy faraingo amin'ny sisiny roa. Rehefa hametraka azy dia sokafana ireo faraingo ireo, atsofoka ilay barette (misy //detrompeur// miaro azy tsy hivadika), ary hidiana tsara avy eo tsy hihetsika intsony. * **Single/Dual Channel**\\ Ireo RAM DDR dia afaka miasa amin'ny //Dual channel//. Amin'izay dia mitombo avo roa heny ny tosaka afaka mivezivezy aminy. Ilaina ho mitovy tsy misy hafa anefa ny barettes anaovana azy. Raha ohatra misy an'izao ilay reni-karatra: {{sary:dual_chan.png}} Dia ilay samy miloko mainty no asiana an'ireo barettes. Raha mbola hanampy dia ireo samy miloko mavo indray. Fa raha hanao single channel dia ilay mainty sy mavo voalohany.\\ Mety ho tsy miloko ny slot ho an'ny reni-karatra sasany, fa na izany aza ohatra an'izay ny fipetrany. Marihina anefa fa mila hamarinina ao anatin'ny bokin'ny renikaratra foana izay. ==== Jereo koa ==== Taloha: [[Fametrahana processeur]], Tohiny: [[Fametrahana kapila henjana]]\\ [[Hanambatra solosaina]] -----

 

fametrahanaram.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43