26/03/05 Mpanoratra : FRAZ
Fitaovana nampiasaina
Natsatoka teo @ port serie faharoa /dev/ttyS1 dia nandramana dia nandeha. Nampiasa wvdial ny nanandramana azy.
Nosokafana ny /etc/wvdial.conf
Nasiana ohatra :
[Dialer test] Password = motdepasse Modem = /dev/ttyS1 Phone = numerotel Username = utilisateur
# wvdial test
Tonga dia mandeha tsara.
Alaivo ny hylafax : http://www.hylafax.org/
Ny source no nalaiko tamin’izy ity . Izany hoe mila manao compilation.
tar xvzf hylafax-4.1.8.tar.gz cd hylafax-4.1.8 ./configure
Tsy hitany teto ny libtiff. Aleo ary atao hitany . Efa nametraka apt moa aho tamin’ny REDHAT (apt-rpm) dia tsotsotra ny fitantanana azy.Ny source ao amin’ny apt izay atokisana atao ao. Na andramo daholo
. Efa mandeha amin’ny rehetra ny apt an , ary ampiasao fa tsara @ zay koa tsy dia miparitaka ny ati-doha raha mivadika distribution tampoka (debian ohatra)
# apt-cache search libtiff libtiff - A library of functions for manipulating TIFF format image files. libtiff-devel - Development tools for programs which will use the libtiff library. # apt-get install libtiff libtiff-devel # ./configure
Tsy nisy olana intsony ny configure.Hitany ny libtiff.
# make
( Afaka mandeha manatono kitoza eto .)
# make install
Configuration sisa fa vita izay ny installation .
# faxsetup
Fanontaniana be dia be. Valiana araka ny tokony ho izy. Avy eo manao ny config ny modem amin’ny alalan’ny faxaddmodem izy ao anatiny ao ihany ( mbola fanontaniana be dia be ihany). Raha tanisaina eto mahalasa adala.
Rehefa vita ny faxaddmodem dia mamorona fichier de configuration izy ao amin’ny : /var/spool/hylafax/etc/config.ttyS1
Rehefa vita izany dia alefany ilay izy . Afaka tazanina @ ps
uucp 21733 0.0 1.1 5860 1476 ? S 17:16 0:00 [faxq] uucp 21735 0.0 0.6 3560 824 ? S 17:16 0:00 [hfaxd]
Farany faxgetty
Mila alefa ary mila atao hoe rehefa maty dia mamelona iray ndray (respawn) Atao ao anaty inittab no mety aminy ohatra.
Nampiana otran’izao tao.Velona amin’ny runlevel 2345 , mi-respawn zany hoe isaky ny maty dia misy miala any ndray.
t2:2345 :respawn :/usr/local/sbin/faxgetty ttyS1
Omeo ny kill -HUP 1 ( init ) afaka 5 segondra eo tokony ho velona ny faxgetty.Andao hoe hamarinina
ps -aux | grep faxgetty uucp 3913 0.0 0.6 3744 784 ? S 11:41 0:00 [[faxgetty]]
Io eny fa tazana.
Fanamarinana hoe mandeha : Mampiasa faxstat
$ faxstat HylaFAX scheduler on linux : Running Modem ttyS1 (0000000000) : Running and idle
Ilay 0000000000 io numero an’ilay ligne no mipetraka eo.
$ faxstat -r HylaFAX scheduler on linux : Running Modem ttyS1 (0000000000) : Running and idle Protect Page Owner Sender/TSI Recvd@ Filename rw-r-- 1 14 0000000001 09:23 fax00001.tif
Ito izy zao naharay fax anankiray. Ilay 0000000000 numero ny ligne misy an’ilay modem fa novaina dia ilay 0000000001 numeron’ilay nandefa fax .
faxstat -d raha hijery ny vita , faxstat -r raha hijery ny voaray, faxstat -s raha hijery ireo mbola miandry.
Mba hahafahan’ny client mahazo alalana miresaka amin’ny serveur dia mila manova ny ao amin’ny : /var/spool/hylafax/etc/hosts.hfaxd . Aza adino ity fa manjary tsy tafiditra.
Matetika localhost no ataony dia ampianao ny adiresin’ny reseau local-nao ohatra ampiana hoe 192.168.0 raha tahaka ny 192.168.0.0/24 ny reseau-nao.
Ny client miasa dia natao @ machine Windows aloha.Betsaka ireo client azo ampiasaina fa Cypheus no nampiasaina nanaovana ny andrana.
Alaivo amin’ity : http://www.cypheus.de/
Ny zavatra mila tsy adinoina fotsiny rehefa mampiasa ity dia mila ovaina ao amin’ny config.ttyS1 /var/spool/hylafax/etc/config.ttyS1
Ireto no ovaina ao :
RecvFileMode:0644 LogFileMode:0644 DeviceMode:0666
Avy eo rehefa alefa ilay dia mangataka hoe inona ny serveur dia apetrakao fotsiny ny adresse IP n’ilay serveur dia vita.
Izay ny amin’iny.
Tsy dia nisy olana loatra ny fametrahana azy ity. Fa mila tsy adino fotsiny ny autorisation omena ny client amin’ny alalan’ilay fichier hosts.hfaxd . Azo ampiasaina ihany koa ny faxadduser .