Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/1/1b2c214cba7690a4351b41e7f99b4273.xhtml failed

**26/03/05 Mpanoratra : FRAZ** ===== Fametrahana serveur FAX : HylaFAX ===== Fitaovana nampiasaina *Modem/Fax SpeedCom 2000 V90 56KBS *Redhat 9 *HylaFAX (serveur) *Cypheus (client) ==== 1.Fametrahana Modem sy fanandramana ==== Natsatoka teo @ port serie faharoa **/dev/ttyS1** dia nandramana dia nandeha. Nampiasa **wvdial** ny nanandramana azy. Nosokafana ny **/etc/wvdial.conf** Nasiana ohatra : <code> [Dialer test] Password = motdepasse Modem = /dev/ttyS1 Phone = numerotel Username = utilisateur </code> <code> # wvdial test </code> Tonga dia mandeha tsara. ==== 2.Fametrahana hylafax ==== Alaivo ny hylafax : [[http://www.hylafax.org/]] Ny source no nalaiko tamin'izy ity . Izany hoe mila manao compilation. <code bash> tar xvzf hylafax-4.1.8.tar.gz cd hylafax-4.1.8 ./configure </code> Tsy hitany teto ny **libtiff**. Aleo ary atao hitany . Efa nametraka apt moa aho tamin'ny REDHAT (apt-rpm) dia tsotsotra ny fitantanana azy.Ny source ao amin'ny apt izay atokisana atao ao. Na andramo daholo :-). Efa mandeha amin'ny rehetra ny apt an , ary ampiasao fa tsara @ zay koa tsy dia miparitaka ny ati-doha raha mivadika distribution tampoka (debian ohatra) <code> # apt-cache search libtiff libtiff - A library of functions for manipulating TIFF format image files. libtiff-devel - Development tools for programs which will use the libtiff library. # apt-get install libtiff libtiff-devel # ./configure </code> Tsy nisy olana intsony ny configure.Hitany ny libtiff. <code> # make </code> ( Afaka mandeha manatono kitoza eto .) <code> # make install </code> Configuration sisa fa vita izay ny installation . <code> # faxsetup </code> Fanontaniana be dia be. Valiana araka ny tokony ho izy. Avy eo manao ny config ny modem amin'ny alalan'ny faxaddmodem izy ao anatiny ao ihany ( mbola fanontaniana be dia be ihany). Raha tanisaina eto mahalasa adala. Rehefa vita ny faxaddmodem dia mamorona fichier de configuration izy ao amin'ny : **/var/spool/hylafax/etc/config.ttyS1** Rehefa vita izany dia alefany ilay izy . Afaka tazanina @ ps <code> uucp 21733 0.0 1.1 5860 1476 ? S 17:16 0:00 [faxq] uucp 21735 0.0 0.6 3560 824 ? S 17:16 0:00 [hfaxd] </code> **Farany faxgetty** Mila alefa ary mila atao hoe rehefa maty dia mamelona iray ndray (respawn) Atao ao anaty inittab no mety aminy ohatra. Nampiana otran'izao tao.Velona amin'ny runlevel 2345 , mi-respawn zany hoe isaky ny maty dia misy miala any ndray. <code> t2:2345 :respawn :/usr/local/sbin/faxgetty ttyS1 </code> Omeo ny kill -HUP 1 ( init ) afaka 5 segondra eo tokony ho velona ny faxgetty.Andao hoe hamarinina <code> ps -aux | grep faxgetty uucp 3913 0.0 0.6 3744 784 ? S 11:41 0:00 [[faxgetty]] </code> Io eny fa tazana. Fanamarinana hoe mandeha : Mampiasa **faxstat** <code> $ faxstat HylaFAX scheduler on linux : Running Modem ttyS1 (0000000000) : Running and idle </code> Ilay 0000000000 io numero an'ilay ligne no mipetraka eo. <code> $ faxstat -r HylaFAX scheduler on linux : Running Modem ttyS1 (0000000000) : Running and idle Protect Page Owner Sender/TSI Recvd@ Filename rw-r-- 1 14 0000000001 09:23 fax00001.tif </code> Ito izy zao naharay fax anankiray. Ilay 0000000000 numero ny ligne misy an'ilay modem fa novaina dia ilay 0000000001 numeron'ilay nandefa fax . faxstat -d raha hijery ny vita , faxstat -r raha hijery ny voaray, faxstat -s raha hijery ireo mbola miandry. ==== 3.Fametrahana ny Client ==== Mba hahafahan'ny client mahazo alalana miresaka amin'ny serveur dia mila manova ny ao amin'ny : **/var/spool/hylafax/etc/hosts.hfaxd** . Aza adino ity fa manjary tsy tafiditra. Matetika localhost no ataony dia ampianao ny adiresin'ny reseau local-nao ohatra ampiana hoe 192.168.0 raha tahaka ny **192.168.0.0/24** ny reseau-nao. Ny client miasa dia natao @ machine Windows aloha.Betsaka ireo client azo ampiasaina fa Cypheus no nampiasaina nanaovana ny andrana. Alaivo amin'ity : [[http://www.cypheus.de/]] Ny zavatra mila tsy adinoina fotsiny rehefa mampiasa ity dia mila ovaina ao amin'ny **config.ttyS1 /var/spool/hylafax/etc/config.ttyS1** Ireto no ovaina ao : <code> RecvFileMode:0644 LogFileMode:0644 DeviceMode:0666 </code> Avy eo rehefa alefa ilay dia mangataka hoe inona ny serveur dia apetrakao fotsiny ny adresse IP n'ilay serveur dia vita. {{sary:cypheus.png}} Izay ny amin'iny. ==== 4.Famaranana ==== Tsy dia nisy olana loatra ny fametrahana azy ity. Fa mila tsy adino fotsiny ny autorisation omena ny client amin'ny alalan'ilay fichier hosts.hfaxd . Azo ampiasaina ihany koa ny faxadduser . ---- [[Lahatsoratra UNIX Linux]] ----

 

fametrahanaserveurfax.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43