Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/f/f9a94125013c46b326b05da7251427b4.xhtml failed

Raha ny resaka DAL (Data Access Layer) misy miantso ihany koa hoe DAO (Data Access Object), dia fomba iray ahafahana mampinfandray ny base de données Relationnelle iray amin’ny Objet hampiasain’ilay laminasa.

Raha hatao ny kajikajy dia azo lazaina hoe misy antoko anakiroa

  1. Voalohany : dia ny mampifandray ny Table sy Champ an’ilay base de données amin’ny Classe sy propriétés. Io no tsotra indrindra ka io no hojerentsika eto, ka hampiasaintsika ny fitaovana D4Modelizer
  2. Faharoa: kosa dia tsy voatery mifandray toy ny voalaza teo ambony, fa ny Objet Metier dia voavolavola araky ny fanadihadiana UML natao tamin’ny zavatra tokony hatao.

Ity ary misy ohatra kely, mampiseho anao ny fampiasana an’izany fitaovana D4Modelizer izany. Mila manamboatra base de données aloha isika, hataontsika hoe IFG FIKAMBANANA dia hasiantsika Table 2, IFG_FKB_MPIKAMBANA sy IFG_FKB_TARIKA , toy izao asehon’ny sary etsy ambany izao :sary:bdfikambana.jpg

Azonao alaina eto ny script an’ilay base de données Script SQL IFG FIKAMBANANA

Rehefa vita izay dia mila mametraka ilay fitaovana D4Modelizer voalaza etsy ambony ianao.

Noraiketina an-tsary mihetsika ny fampiasana an’ilay D4Modelizer koa mazotoa ary misintona ary mijery izany

Azonao alaina eto ihany koa ilay Projet azo tamin’izany:

Fanamarihana: marihana kely fa kinova mbola tsy tonga lafatra io D4Modelizer io, ka mety misy diso ny zavatra havoakany indrindra eo amin’ny fanaovana INSERT,UPDATE, koa anjaranao no manintsy an’izany.

Noho izay indrindra dia amin’ny lesona manaraka dia ireo classe sy propriétés ihany no tazomintsika, fa Framework IFG DAL 0.1 no haseho anareo.

 

fanamboaranadaldataaccesslayertsotsotra.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43