Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/7/7b7e2822cc33491c78d8955674e695dd.xhtml failed

**06/05/05 Mpanoratra : RTN** ===== Fialana amin'ny "Formatage" sy "ReInstall" ===== Mba tsy handaniana fotoana amin'ny fanaovana formatage sy ReInstall amin'ny solosaina dia azo hatao ny mampiasa Norton Ghost. Inona avy ny zavatra azo ampiasaina ny Norton Ghost : Maro ny zavatra azo hatao amin'ny anisan'izany ohatra ny manao installation amin'ny Solosaina maromaro anatin'ny fotoana vitsy. Fa ny tena hiompanatsika dia ny famerenana ny solosaina tamin'izy mbola nandeha tsara, raha sanatria ka nisy olana, nisy virus ohatra na ny zavatra simba tao anaty ny Windows. Izao zany no zavatra hatao rehefa te hampiasa Northon Ghost. **Formateo ny Solosaina**, hapetraho daholo ny **Patch Windows sy ny Service Pack farany** izay misy,dia installeo daholo koa ny Logiciel nao rehetra ary ny Internet. Rehefa vita izay dia installeo amin'izay ny Norton Ghost. Dia manamboatra Image ny Ordinateranao izy , na apetrakao anaty **"[[KapilaManjelatra|DVD]]"** iny na amin'ny **"Partition"** iray hafa anatin'ny ordinateranao. Dia manamboara koa **"Disquette d'amorcage"** raha sanatria ka tena tsy velona intsony ny WIndows. Raha ohatra ka misy **fahasimbana** ny Ordinateranao dia manaova **restauration** anatin'ny **Norton Ghost** dia alaivo le Image anaty DVD na [[DiskPartition|Partition]] Disque Dur iray. Raha toa moa ka tsy velona intsony dia alaivo ilay disquette dia velomy amin'ny dia avy eo hatorohy azy ilay image. Ho Hitanao eo fa tsy ampy folo minitra akory dia tafaverina amin'ny laoniny ny Solosainao. Amin'izao fotoana izao mantsy efa maro loatra ireo virus ka manjary matetika manao formatage sy install isika. Sady ireny patch ireny tsy tonga dia hatokisana hoe mety tsara, ohatra izao ilay patch windows farany teo (mikasika ilay Sasser) toa hoe mbola misy lesoka fa tsy maharo tanteraka ny solosaina. Koa aleo misoroka toa izay mitsabo. ---- [[Lahatsoratra Windows]] ----

 

fialanaaminnyformatagesyreinstall.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43