Fiarovana sy fitsaboana

Torohevitra vitsivitsy ho an’ny securite-n’ny ordinateur (sy ho anao indrindra indrindra)

Aleo misoroka toy izay mitsabo ...

Voalohany: Mieritrereta kely aloha

  • na inoanao sy tsy inoanao: feno atsanga tsy aman’orana eran’ny internet
  • vao manokatra piece jointe amin’ny imailaka
  • vao manindry rohy azonao anaty imailaka
  • vao mametraka ireny karazana programa amin’ny internet ireny: toolbar, smileys, crack sns ...
  • vao mamaly mail tsy fanta-pihaviana
  • amin’ireo vala na site web jerenao : mba fidifidio ihany izay hotsidihana sy andraiso fepetra

Fa ny ataon’ny olona ihany no mahafaty azy, dia ny hafa no mahazo ny andraikitra.

Ary:

  • tapaho eo aminao ny fiparitahan’ireny hoax ireny, ireny imailaka hoe: " Alefaso amin’ny olona folo farafahakeliny ity fa raha tsy izany ianao maty "
  • Aza omena olona amin’ny internet ny identite-nao, indrindra indrindra:

- ny numero kaonty amin’ny banky na ny carte de credit;
- ny numero securite sociale;
- ireo zavatra rehetra misoratra ao anaty piece d’identite-nao: CI, passeport, permis de conduire, ...
- ny adiresy mail, ny adiresim-piasana na adiresim-ponenana, ...

Mora kokoa ny mi-exploiter ny faille-n’ny olona noho ny faille-n’ny milina sy ireo rindrankajy. Ka asakasakao raha havelanao hisy faille ny tenanao.

Faharoa: Mampiasa fiarovana

  • apetraho ny mise a jours securites rehetra (na pirate aza ny rindrankajy ampiasainao)
  • mametraha Antivirus ary manaova scan ombieny ombieny (farafaharatsiny isam-bolana)
  • ny media mety ho ahiana rehetra (disket, USB-drive, CD, sns ...) dia scanner-o amin’ny antivirus foana aloha

Raha mipetaka amin’ny internet ny milinao:

  • mampiasa AntiSpyware ary manaova scan ombieny ombieny koa
  • indrindra mampiasa Firewall : io no tena zava-dehibe indrindra :!:

Ny tena zava-dehibe: Ataovy mise-a-jour foana ireo fitaovana fiarovana ireo fa mivoatra malaky dia malaky ny teknolojian’ny malware

Fahatelo: Diovy matetika:

  • Ny Temporary Internet Files
  • Ny cookies amin’ny navigateurs
  • Ny repertoire Temp rehetra

Misy rindrankajy ahafahana manadio an’ireo, ohatra iray tsotra be sady maimaimpoana ny ATF Cleaner

... Fa izay voa koa tsy maintsy tsaboina

Raha misy olana eo amin’ny milinao ka ahiahiana, dia manaova scan Antivirus aloha. Afaka mampiasa antivirus maromaro ianao raha tianao. Azonao atao koa ny mampiasa antivirus en ligne.
Manaova koa scan AntiSpyware. Tsara mihitsy raha antispyware maromaro no ampiasaina, ohatra MS antispyware sy ad-aware.

Raha tsy afaka dia mampiasa HijackThis:

  • Manao scan amin’ny HijackThis, ary alaina ny log. Misy vala afaka manao analyse an’io log io ato: http://www.hijackthis.de/fr. Fafana amin’ny HijackThis ihany izay ratsy hitany ao.
  • Ho an’ireo fichiers mampiahiahy dia misy an’ity vala ity manao scan amina antivirus maromaro (miisa 14), hisedrana azy: http://virusscan.jotti.org/
  • Ity misy tuto tsara raha sanatria ka tratrany: Jereo eto - Misaotra an’i Vaika ;-)

Raha misy tsy atokitokisanao loatra dia anontanio ao amin’ny forum, ary apetraho ihany ny log-n’ny HijackThis.

Fanamarihana

Vahaolana farany ny formatage sy reinstall systeme.

Jereo koa:

 

fiarovana.txt · Novaina farany:: 2007/10/12 12:55 / lapino