Fiarovana adiresy imailaka

Tsy tsara azoazon’olona fahatany ny adiresy imailaka, fa be ny azo anaovana azy ireny no mety tsy hahasoa anao, raha tsy hiresaka afa-tsy spam, hoax, sy karazana fisolokiana isan-karazany aza. Torak’izany koa ny n° telephone. Ireto misy fepetra vitsivitsy azo raisina mba hiarovana ny adiresy imailakao:

- Fitandremana

  • safidio ny olona omena ny adiresy
  • aza ampidirina amina vohikala tsy fantatra
  • aza avela hitaredretra eny rehetra eny fa misy robot mivezivezy any manangona adiresy imailaka
  • rehefa mandefa mail ho an’ny olona maro (ohatra hoe ny carnet d’adresses iray manontolo) dia ataovy ao amin’ny Cci ny adiresy

- Fikafika

  • rehefa manoratra adiresy dia ovaina kely ny fisehony, fa ajanona ho mora azon’izay mamaky ihany. Ohatra adiresy@server.com atao hoe:
    • adiresy_amin’ny_server_dot_com
    • na koa: adiresy@-sisihana zavatra-server.com
  • misy koa sehatra manome interface afaka anoratana any aminao, kanefa tsy mahalala ny adiresy imailakao ilay olona hanoratra. Jereo ohatra ny http://viadresse.com/.

Jereo koa

 

fiarovanaadiresyimailaka.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43