Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/f/f9a06db2fd2914a552e639f7005c7f6b.xhtml failed

Fikikisana image CD

Mety ho ni-telecharger zavatra ianao, matetika ny disk image fanaovana installation linux na OS hafa, dia disk image no ahazoanao azy. Toy izao ny zavatra atao ary mba hametrahana an’iny sarikapila iny amina tena kapila:

Fanamarinana ny sonia MD5

Ny sonia MD5 (MD checksum) dia fomba iray ahafahana manamarina fa tsy misy fahasimbana ny fichier (sarikapila) nalainao. Raha misy zavatra kely mipika fotsiny manko dia miova io sonia io. Any amin’ny toerana nangalana an’ilay fichier no tokony ahitana ny soniany izay ampitoviana amin’ny sonia hita ao amin’ilay sarikapila. Ny sonia MD5 dia miendrika fifampitohizana litera sy tarehimarika lavalava.

Raha mampiasa windows ianao, dia misy rindrankajy maimaimpoana afaka hanamarinana an’io: WinMD5sum

Raha mampiasa linux indray dia efa misy kirakira md5sum ahafahana manao an’izao ao. Jereo eto ny fampiasana azy.

Fikikisana an'ilay sarikapila

Eto dia izay rindrankajy fikikisana rehetra dia tokony ho mety. Tandremana fotsiny fa tsy cd donnees io, fa image hokikisana amin’ny CD. Izany hoe tsy atao copie-coller.

Ity misy rohy mampiseho ny fampiasana karazana rindrankajy maromaro mba hikikisana disk image anaty cd. (teny anglisy): Jereo eto.

Misy rindrankajy fikikisana maimaimpoana koa, ao amin’ny pejy fikikisana.

:sary:nero.png

 

fikikisanaimagecd.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43