Raha tiana hateza sy hiasa tsara ny Windows dia misy fikojakojana tokony hatao azy matetika. Izany dia mba hitazonana ny Security sy ny performances mba hiasa tsara ilay solosaina novidiana lafo.

Fiarovana

Ny tena tsinin’ny windows dia ny fahabetsahan’ny malware manambana azy. Raha tsara fiarovana anefa ny milinao dia tsy maninona mihitsy. Misy pejy manokana momba izay ato: Fiarovana

Isan’ny zava-dehibe amin’izany ny fanaovana mise a jour (update) ny windows. Na pirate aza ny windows ampiasainao dia ataovy ihany ny Security Updates raha mipetaka amin’ny internet. Azo atao ny manao izany:
- mivantana ao amin’ny Panneau de configuration
- avy amin’ny sehatra Windows Update
- amin’ny fametrahana service pack izay maimaimpoana, mety ho azo antsakaina amin’ny internet, na vidina miaraka amina magazines.

Fanadiovana

Esorina ny fakofako rehetra manelingelina ao anaty solosaina. Sady mibahan-toerana manko ireny no mampihena ny performances. Misy toerana telo tokony hanaovana izany:

  • Fichiers Temporaires: Ireo karazana rakitra mipetraka ao amin’ny “C:\Documents and Settings\%username%\Local Settings\Temp” na “C:\Windows\Temp” na ireo repertoires Temp hafa anaty partitions tsirairay avy.
  • Base de registre: Ireo zavatra tsy ilaina rehetra anaty Base de registre. Ny antony dia mba hanamaivanana an’ilay OS, ary hiarovana amin’ny Virus sy Spyware.
  • Navigateurs internet: Tsara raha fafana matetika ireo cookies sy fichiers temporaires. Misy fitaovana ahafahana manadio an’ireo izay navigateur ampiasainao. Marihina koa fa tsara raha fafana ny cache java izay mbola afaka mitahiry virus koa: Ao amin’ny Panneau de configuration > Java > Onglet General > Fichiers Internet Temporaires ary tsindriana ilay bokotra Supprimer les fichiers ...

Misy rindrankajy ahafahana afaka manampy manao an’ireo asa ireo, ohatra ny : ATF cleaner , EasyCleaner

:easycleaner.jpg

Defragmentation

 

fikojakojanawindows.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43