Ny zavatra rehetra amin’ny systeme Unix dia rakitra voalamina anaty repertoires. Misy firafitr’ireo repertoires ireo saika iraisan’ny Unix rehetra, ary hita indrindra amin’ny Linux na MacOsX.
Ny repertoire fototra, soratana hoe “/” no iaingan’ny rehetra, ohatra ny hoe foto-kazo iaingan’ny sampana rehetra. Avy eo misy karazana repertoires, ka ny tena fahita dia:
/bin : misy an’ireo programa fampiasa ankapobeny, ireo komandy ohatra
/sbin : misy ireo programa fitantanana ny systeme, ohatra hoe ny baiko shutdown, ...
/dev : misy rakitra manokana (special) mifandray amin’ireo peripheriques, ohatra hoe /dev/hda ny kapila henjana, /dev/dsp ny kara-peo, /dev/mouse ny totozy, sns ...
/etc : misy ireo rakitra fanaovana config
/usr : misy karazana zavatra an’ny mpampiasa, ohatra hoe rindrankajy napetraka, manuels, sns ...
/home : misy an’ireo dossiers personnels