Writing /home/infogasy/domains/wiki.infogasy.net/public_html/data/cache/e/ee96db896391eb0a784b59aa7e5c9b71.xhtml failed

GMail

GMail moa dia tsy inona fa fijerena mail amin’ny Internet tahaka ny Yahoo sy ny Caramail sy ny Hotmail fa i Google indray no misahana azy.

Mampiavaka azy

Anisan’ny mampiavaka azy ny fampiasana ny teknolojia AJAX sy ny fampiasana ny moteur de recherche eo amin’ny fikirakirana ireo message samihafa.

Fomba fanokafana kaonty

Tsy tahaka ny webmail rehetra hoe misoratra anarana ny fanokafana kaonty fa mila fanasana manokana avy amin’ireo olona efa manana kaonty gmail. Dia amin’ny alalan’iny no hahafahana mamorona adiresy miafara amin’ny gmail.com ho anao.

Fikafika samihafa

- Ny Point(dot) amin’ny adiresy : Tsy mivaky loha ny point(.) amin’ny adiresy mail ny gmail , ny dikan’izany dia mitovy ihany ny adiresy anarana.fanampiny@gmail.com sy ny anaranafanampiny@gmail.com

  • Nanandrana aloha aho fa tsy nety :-( [hery]

- Ny Plus(+) amin’ny adiresy : Azo atao ny manampy + amin’ny adiresy ary tonga ao aminao foana ny message rehefa misy ny anarana amin’ny kaontinao eo alohany. Ohatra : kaontygmail+Wiki@gmail.com , kaontygmail+Forum@gmail.com sy ny sisa. Ny mety ilainao an’io dia manamora ny fikirakirana ireo Filtre (Jereo eo ambany) sy ny fametrahana ny message anaty Libelles.

- Libelles : Tsy manana ny atao hoe Dossier na Repertoire ny GMail fa ny Libelles dia natao hahasolo izany ary mbola matanjaka kokoa aza. Ny Message tsirairay dia azonao asiana Libelles iray na maromaro araka izay ilainao azy. Manamora ny fitadiavana ny Message ny fisian’ny Libelles aminy avy eo.

- Filtre : Ny filtre dia hahafahanao manao sivana amin’ireo message azonao. Ohatra hoe ireo Spam. Ao anatin’ny filtre dia azonao atao ny manisy action tokony atao amin’ireo message mahafeno ny fepetra napetrakao , toy ny famafana azy, ny fanaovana ny transfert any amin’ny adiresy hafa, ny fametrahana azy anatin’ny Libelle sy ny sisa.

- Mandefa mail amin’ny adiresy hafa : Anisan’ny tena tsara ihany koa izy ity amin’ny gmail satria afaka mandefa mail ao anaty gmail ihany fa amin’ny adiresy imailaka hafa ianao. Ohatra manao adiresy ianao@gmail.com sy ianao@domainehafa.mg , dia afaka mandefa mail ianao ka ilay adiresy ianao@domainehafa.mg no hitan’ilay olona mandray. Marihina fa amin’ny yahoo izy dia mandoa vola vao mety.

Ohatra fampiasana ny filtre sy ny Libelle

Nisoratra anarana teto amin’ny sehatra Infogasy ianao , ny adiresy nampiasainao dia adiresinao+ifg@gmail.com.

- Ao amin’ny gmail :

  • Mamorona libelle hoe Infogasy ianao.
  • Mamorona filtre ianao ka toy izao ny fepetra : izay message tonga manana adiresy nandefasana hoe adiresinao+ifg@gmail.com dia ataonao ao anaty libelle Infogasy

Vokany : Ny message rehetra alefan’ny sehatra Infogasy na hafa aminao ka amin’ny adiresy adiresinao+ifg@gmail.com. dia voasokajy ho azy ao anaty libelle Infogasy ao anaty gmail-nao.

Hafa

Gmail Drive: Shell extension-n’ny Windows ahafahana mampiasa an’ilay 2 Go amin’ny Gmail ho espace de stockage, ka hita eo amin’ny Explorateur Windows toy ny kapila ivelany.

Ankoatran’io dia misy ihany koa ny FileBunker sy ny GSpace , ity farany ity dia extension Firefox.

 

gmail.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43