Hanambatra solosaina

Natao ho mora ny fanambarana azy ireny, ka tsy voatery ho maty hanina vao afaka manao azy, eny fa ianao io indrindra. Ny mandamin-trano aza mbola sarotra ;-)). Raha mbola tsy nanao an’izany mihitsy ianao, dia hoy ny amerikana izay hoe “Just do it!“. Ity izany misy tari-dalana.

Ireo milina PC hatramin’izao no azo arafitra avy amina piesy manokana, hanaovana configuration sur mesure, izany hoe araka izay ilanao azy tanteraka.

- Ireo piesy ilaina

  • boitier: izay mahafatifaty anao. Ilaina mifanaraka amin’ny reni-karatra ny habeny, matetika moa io ATX. Tsara koa raha ambony ny puissance afaka omeny, matetika io 350 - 400 Watts.
  • reni-karatra: miaraka aminy matetika ireo nappes hampitohizana an’ireo singa hafa. Ilaina mifanaraka amin’ny processeur izy, izany hoe mila mifanaraka ny socket. Io dia entina milaza ny isan’ireo broches ifampipetahany.
  • processeur: mila mifanaraka amin’ny reni-karatra, indrindra ny socket. Mila mividy fampangatsiahana raha tsy misy miaraka aminy.
  • RAM: mila miady amin’ny reni-karatra koa. Fidio tsara hoe SDRAM sa DDR. Raha DDR dia ilay firy ny frequence. (mety hisy RDRAM, na karazany hafa koa ho an’ireo solosaina talohaloha)
  • Karatra grafika: safidio tsara izay mifanaraka amin’ny reni-karatra. Mety misy karatra PCI, AGP na PCI-express. Raha AGP (io no matetika) dia jereo na 1x, 2x, 4x na 8x sao dia tsy mety.
  • Kapila henjana: mety ho afaka mampiasa P-ATA (=IDE) ianao, na S-ATA. Raha S-ATA dia hamarino fa afaka mipetaka amin’ny reni-karatrao.
  • Lecteur na Graveur CD/DVD : IDE ireo matetika.
  • Lecteur diskety
  • Karatra PCI hafa: ny feo sy reseau matetika efa miaraka amin’ny reni-karatra ankehitriny, kanefa mety ho tsy misy izy na te hametraka karatra hafa ianao. Mety koa hoe karatra fahitalavitra sns ...
Zava-dehibe: ilaina dia ilaina ny bokin’ny reni-karatra!!

- Ireo fifampitohizan’ny piesy tsirairay
Eo ambony reni-karatra daholo no ipetahan’ny rehetra, fa ny reni-karatra no tsy maintsy apetaka amin’ny boitier. Ity sary ity mampiseho modely reni-karatra iray, misy ireo fametrahana ny piesy tsirairay:

Jereo amin’ireto rohy manaraka ireto ny fametrahana ireo karazana piesy:
[1]: Fandrafetana @ boitier
[2]: Fametrahana processeur
[3]: Fametrahana RAM
[4]: Fametrahana kapila henjana
[5]: Fametrahana karatra grafika
[6]: Fametrahana karatra PCI
[7]: Fametrahana diskety

Ireto ambany indray ny ports hita ivelan’ny boitiers, izay ametrahana ireo peripheriques ivelany:

Rehefa vita ireo dia hidiana amin’izay ny boitier. Apetraka daholo ny ecran, totozy, clavier sy izay ilaina, ary afaka manomboka ny fametrahana Systeme d'exploitation amin’izay


 

hanambatrasolosaina.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43