Ny hoax dia karazana malware ihany, saingy tsy ny solosaina no asiany fa ny saina mihitsy. Mitondra hafatra mandemy saina izy, ary mitady ny haparitaka. Mety ho maro ny tanjon’ny hoax:

- fanangonana reseau-na imailaka –> spam, phishing;
- desinformation, fandemen-tsaina sy filazan-dainga;
- fitaka sy fanambakana;
- fanaovana dokambarotra na etude de marche, sns ... izay tsy ara-dalàna

Ny tena ahafantarana azy dia misy any amin’ny farany ohatrohatra ny hoe: “Alefaso any amin’ny olona *%=#e�$ fantatrao ity mail ity

Misy ireo sehatra izay manangona ny karazana hoaxes mirôzirôzy eran’ny internet, ka raha misy imailaka mampiahiahy dia tsara foana hamarinina kely aloha sao dia hoax efa vita lisitra. Na izany aza ny fahamailoana dia tandrovana foana.

Jereo koa

 

hoax.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43