Fanovana natao teo amin'ny resaka Commentaires

Tantara kelyfraz 2006/04/05 14:57

Tapany I

Ilay izy zavatra tsy dia sarotra fa ny fomba nahitana azy no ho soratana eto. Raha ohatra moa efa namaky ny documentation an’i Drupal dia mety ho mora hita :-) .

Dia satria moa commentaires no resahana, dia niraparapa aloha nijery tao amin’ny comment.module , io mantsy ny module misahana ny resaka commentaires rehetra. Dia fonctions maro be no ao dia lasa nanao recherche hoe render , io moa no mot mahazatra fampiasa raha vao mamoaka rendu HTML.

Dia nahita ny fonction hoe comment_render . Dia nitady tao. Ny olana koa mantsy dia ny extension ny fichier .module dia tsy misy coloration syntaxique avy hatrany fa miraozy ao anatiny ao aloha.

Dia tary amin’ny farany ambany tary nahita an’izao :

    // If enabled, show new comment form.
    if (user_access('post comments') && node_comment_mode($nid) == 2 && variable_get('comment_form_location', 0)) 
    {
      $output .= theme('comment_form', array('nid' => $nid), t('Post new comment'));
    }

Dia lasalasa ny tanana maimaika dia no-commenter-na ilay test if fa ilay ligne $ouput fotsiny no najanona teo. Dia mazava ho azy fa mipoitra moa tsara ary amin’ny farany ambany ny formulaire. Raha izay anefa no natao dia lasa hacking izy @ zay fa tsy manaraka ny fonctionnalités amin’ny ara-dalàna.

Dia namerina namaky an’ilay code dia misy resaka droit aloha dia avy misy resaka mode . Dia hoy aho hoe tena tsy eto ny toerana tokony hanovana an’io raha izany.

Ny droit aloha mazava ho azy tokony mandeha satria nomena alàlana hahazo mandefa commentaire ny rehetra. Fa eo amin’ilay mode = 2, nitady tany anaty fichier de config aloha, tsy tao ........

Nijery tao amin’ny menu fanaovana administration , misy hoe administrer/commentaires , dia misy onglet anankiroa dia ny iray misy hoe Configurer, io eny fa ao daholo kay ny marina rehetra na ny fomba fanaovana affichage na ny resaka formulaire.

Dia ireto no novaina tao :

  • Ny mode d’affichage par défaut natao ho : A plat - déplié (Par discussions - déplié izy taloha)
  • Ny Emplacement du formulaire de soumission de commentaire natao hoe : Afficher en dessous du message ou des commentaires

Tapany II

Zavatra faharoa tsikaritra dia isaky ny commmentaire rehetra dia misy lien hoe ‘Répondre’ raha ho an’ny rehetra, moa miampy hafa raha admin. Raha mi-click an’io anefa dia lasa manokatra page vaovao indray dia lasa tsy mitombina ilay fanovana natao io ambony io.

Dia nijery ny tao amin’ny template sao mba ao no haingana, comment.tpl.php moa no anarany eto, dia nandeha tany amin’ny farany dia nahita hoe :

 
  <div class="footer">
    <div class="links">
      <?php print $links; ?>
    </div>    
  </div>

Dia hita zany fa dynamika no hanaovana ny lien eo ambany, izany hoe miankina amin’ny role. Avela eo zany aloha io fa tsy kasihana.

Dia niverina tao amin’ny comment.module indray. Dia nanao recherche resaka link tao dia nahita ny fonction hoe comment_link(...) dia novakiana maimaika dia misy test kely miankina ny type n’ny node . Dia ary ambany misy hoe rehefa $type == ‘comment’ dia miantso fonction hafa indray comment_links , lasa misy ‘s’ dia tao no nahitana ny marina, misy hoe :

    else if (user_access('post comments')) {
      if (comment_access('edit', $comment)) {
        $links[] = l(t('edit'), "comment/edit/$comment->cid");
      }
      $links[] = l(t('reply'), "comment/reply/$comment->nid/$comment->cid");
    }

Izany hoe ny lien ho an’ny daholo-be izany dia ny Répondre na Reply. Dia inoaka angamba fa raha commenter-na io ligne farany io dia mamaha ny olana.

Izay aloha fa lasa resaka be fa @ manaraka ngamba mety ho fohifohy :-) !

 

ifgportal/comment.txt · Novaina farany:: 2008/09/11 12:43