Atambatra amin’ilay cable ny sortie casque sy entree line-in amin’ny kara-peo:
. Misy toerana roa izany afaka anamboarana ny volume: iray eo amin’ny walkman, ary ny iray amin’ny Controle de volume amin’i windows (raha linux dia hafa, kmix ohatra amin’ny KDE). Jereo ny line-in.
Manao fandraisam-peo fohy mialoha (etsy ambany ny fomba fandraisam-peo) hahafahana manamboatra ny volume-ny tsara: tsy ambany loatra nefa tsy sature. Ohatrohatra an’izao ny endrik’ilay spectre hita amin’izany:
| Mila amafisina fa ambany loatra | Ohatra an’izao no METY | Ahena fa Sature loatra |
|---|---|---|
| | |
Mizara roa ny fanesorana kotaba:
- Famaritana ny kotaba (bruit de fond): tsongaina ny faritra tsy misy hira, fa kotaba fotsiny, ohatra hoe anelanelana hira roa. Avy eo Menu Effect > Noise Removal .... Misy boite de dialogue mipoitra eo, misy hoe ‘Step1‘, misy bokotra hoe: Get Noise Profile. Tsindriana io bokotra io.
- Fanesorana ny kotaba: tsongaina manontolo amin’izay ilay spectre, ary averina ny Menu Effect > Noise Removal .... Lasa tsy grise intsony ilay ‘Step2‘, ary afaka manala ny kotaba amin’izay amin’ny alalan’ny bokotra Remove Noise.
Rehefa mandray feo dia tsara raha miaraka raisina mitohy ny face iray manontolon’ny k7, mba hitovy daholo ny reglage sy ny fikirakirana natao azy. Avy eo vao tapatapahina isaky ny hira.
Tsongaina ny spectre mifanaraka amin’ny hira voalohany, atao File > Export selection as WAV... na File > Export selection as MP3... na File > Export selection as Ogg Vorbis... arakaraka izay format tiana, ary omena ny anaran’ny fichier hasiana azy.
Marihina fa tsy afaka manao MP3 izy raha tsy miaraka amin’ny LAME mp3 encoder, izay rindrankajy maimaimpoana koa.
Mba ho precis amin’ny fitsongana dia mampiasa zoom. Ireto ny bokotra fanamboarana ny zoom:
Mbola misy zavatra maro azonao atao arakaraka izay tianao, mba ampio eto izay traikefa hitanao avy eo