Mitahiry no asan’ny kapila henjana, izy no mitahiry ireo karazana donnees rehetra voalamina ho fichiers anaty dossiers sy sous-dossiers, na ireo mirakitra ny OS na ireo kirakira na ireo fichiers an’ny mpampiasa.
Kapila magnetika maromaro, misy tendro mamaky azy, voafono anaty boaty kely tsara hidy izy, ary misy precision lehibe ny mekanika ao anatiny. Noho izany:
SCSI : izy ity dia teknolojia efa misy saingy lafo vidy. Mila karatra
SCSI manokana ny fampiasana azy. Ahazoana hatrany amin’ny 640 Mo/s ny tosaka arakaraka ny config.
ireo kapila henjana finday, izay apetraka ivelan’ny solosaina, fa mitohy amin’ny
USB na
Firewire. Matetika izy ireny dia mitovy amin’iretsy kapila teo aloha ihany saingy nampiana adaptateur PATA na SATA / USB na Firewire fotsiny.
Ny hafaingan’ny fihodiny no mampiseho ny fahafainganany mamaky izao voasoratra eny ambonin’ny kapila. 5400 sy 7200 hodina isa-minitra (him) ny an’ireo kapila P-ATA sy S-ATA, fa tonga hatrany amin’ny 10000 - 15000 him any ny an’ireo kapila
SCSI.